♦ Asa anterivozona 10 taona, miampy onitra 500 000 000 Ariary no sazy azon'ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha, araka ny didim-pitsaràna navoakan'ny PAC momba ny raharaha hanenjehana azy, Praiministra iray teo aloha koa voaheloka... ♦ Ratsy toerana hiantso ny hery iraisam-pirenena hanampy an'i Madagasikara amin'ny famerenana ireo "Iles éparses" ny filoha ankehitriny, hoy ny antoko SFDM... ♦ Hamelatra sora-baventy isaky ny toeram-piasàny ireo sendikà eo anivon'ny Polisim-pirenena, hanohizana ny hetsika tsy fankasitrahana ilay famindran-toerana ambaran'izy ireo fa tsy ara-dalàna...
♦ Niezaka nanohana ilay tetik'asa "téléphérique" omaly ny filoham-pirenena, tamin'ny lahateniny tamin'ny fahatongavany avy any ivelany. Hanafatra entana, entina sambo 20 isa ny fanjakàna hanamaivanana ny fiakaran'ny vidim-piainana... ♦ Niakatra fitsaràna teo anivon'ny PAC eny amin'ny 67 ha omaly ny raharaha mahavoasaringotra ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha sy olona 7 hafa... ♦ Nahatratra 206 ireo lozam-pifamoivoizana nitranga teto amintsika tao anatin'ny 3 volana. Maherin'ny 100 ny olona namoy ny ainy, raha ny tatitry ny zandarimariam-pirenena...
♦ Ireo tombontsoa azo avy amin'ireo tetik'asa niaraha-nanao sonia tany Frantsa vokatry ny famatsiam-bola azon'i Madagasikara ary ny vokatry ny fanatrehana ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana, tany New York, Etazonia, no nambaran'ny Filohan'ny Repoblika androany, raha nitatitra ny diany tany ivelany izy... ♦ Tokantrano maherin'ny 75000 avy amin'ny distrika 13 eto Madagasikara no misitraka ny vatsin'ankohonana. Mamatsy vola izany, manodidina ny 23,6 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena, ary ny fitondrana malagasy 3,5 tapitrisa dolara...
♦ Pretra roa niharan'ny fanafihana sy fandrobàna tao Mananjary no manaraka fitsaboana aty an-drenivohitra ankehitriny... ♦ Nifarana ny atrik'asa isaky ny renivohi-paritany enina nataon'ny Ceni, andrasana amin'ity herinandro ity ny fandravonana izany... ♦ Efa mijery ireo lamina mba hitadiavam-bahaolana amin'ny fiakaran'ny vidim-panafody ny holafitry ny farmasiana sy ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco