♦ Tranga 18 vaovao indray no hita tamin'ireo olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Mbola mitombo ary maro ireo olona mararin'ny tazomoka mahery any amin'ny distrikan'i Betroka. Tsy ampy ny fanafody fitsaboana fa fanafody fanefitra no nalefan'ny fitondram-panjakana... ♦ Toherin'i Madagasikara ny fikasan'i Frantsa hametraka Ivo-toerana momba ny tontolo iainana ao amin'ny Nosy Sambatra...

♦ Manentana ny Malagasy mba hisotro ny tambavy CVO ny Filoham-pirenena, hiarovan-tena amin'ny fahazoana ny Coronavirus... ♦ Hanao fihaonam-be any Fianarantsoa handinihana ny fomba hanarenana ny tontolon'ny fanabeazana aorian'ny ady atao amin'ny valan'aretina ny Sempama... ♦ Dinihina eny amin'ny Antenimieran-doholona amin'ity herinandro ity ny volavolan-dalana momba ny famokarana biôlôjika...

♦ Hamafisina ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus amin'ny faritra ahitana izany... ♦ Tafakatra 304 ny isan'ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Minatso ny olom-pirenena tsy an-kanavaka mba hanaja ny fepetra ara-pahasalamana ampiharin'ny fitondram-panjakana ny Filohan'ny FFKM...

♦ Nanamafy ny lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika an-tanety fa mamely mafy ny tazo mahery any amin'ny faritra maro eto amintsika... ♦ Nikatona omaly ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ho an'ity taona ity... ♦ Misaona ny zava-kanto malagasy. Nodimandry tampka omaly i Sefo Nonoh, mpitendry gitara beso, amin'ny tarika malagasy maromaro...

[Miara-dàlana] Zoma 5 jolay 2024

♦ Tokony tsy hikely aina amin'ny fambolena, ny tantsaha: io no nanentanan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana ny FTMTK tao amin'ny Diôsezin'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny Zaikabe androany... ♦ Mizotra mankany amin'ny fanarenana mandrakariva ny fiainana ary mila apetraka eo amin'Andriamanitra: io no hafatra ho an'ireo mpianatra tao amin'ny Lycée Saint Antoine, izay namarana ny taom-pianarana... ♦ Navoakan'ny Foibe misahana ny fampahalalam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina androany, ny fandaharam-potoanan'ny Papa François, mandritra ny fitsidihana apôstôlika hataony any amin'ny faritra Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...