♦ Nisitraka vaksiny ny Covid-19 Shinofarm 300 000 daozy avy amin'ny governemanta Sinoa i Madagasikara. Noraisina omaly tetsy Ivato ireo vaksiny ireo... ♦ Zava-dehibe ny fanampiana ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny fitanterana. Efa mijery vahaolana mifandraika amin'izany ny fitondram-panjakàna, hoy ny ministry ny Fitanterana ... ♦ Maherin'ny 30 taonina isan'andro ny fako mivangongo etsy amin'ny Kaominina Talatamaty, tsy araka ny fanalàna ny fako, tsy ampy ny fitaovana...

♦ Vakisiny fanefitry ny Covid-19 Sinopharm telo hetsy daozy indray no tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, androany tolakandro... ♦ Nosokafana androany tamin'ny 5 ora tolakandro tamin'ny alalan'ny fihaonana ampitain-davitra ny Sekoly momba ny Fifandraisana, karakarain'ny Dicastère misahana ny Fifandraisan'ny mpiara-belona eo amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco ho an'ny Faritra Afrika sy Madagasikara...

♦ Nanaitra ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ireo fitakiana sy ireo tambikarama, izay efa vary mangatsiaka tsy voaloa an-taonany maro ny SECES... ♦ Miantso ireo sendikan'ny SMMV, mba ho tony sy tsy hitoky afa-tsy amin'ny vaovao marina ny Minisiteran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola... ♦ Tsy nitsaha-nihena ny isan'ny orinasa nitsangana teto Madagasikara tao anatin'ny telopolo taona farany, raha ny tatitry ny sendikan'ny indostria eto Madagasikara...

♦ Olona roa tapitrisa eo no hiniana vonoina amin'ny fivelomany, manoloana ny fahapotehan'ny seha-pihariana lavanila eto Madagasikara, hoy ireo avy any Sava. Miantso ny fanjakana tsy hametra ho 66 fotsiny ireo mpandraharaha afaka manondrana lavanila izy ireo... ♦ Mikasa ny hanome ny fitantanana ny hetra sy ny fadintseranana ho an'ny orinasa tsy miankina ny fanjakana foibe. Mitsipaka izany marindrano ireo sendikà eo anivon'ny Minisiteran'ny vola, raha nanao fanambarana androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...