♦ Notsenain'ny fitokonana ny fidiran'ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo eny Ankatso omaly. Nakaton'ireo mpandraharaha ny vavahady sy ny efitrano fianarana, noho ny hetsi-pitakiana... ♦ Manohy ny fahampielezan-keviny ho an'ny fifidianana filohan'ny olafitry ny mpanao gazety ny kandidà ho amin'izany. Maro ireo fanambarana navoakan'ireo fikambanan'ny mpanao gazety samihafa mangataka hanemorana ny fifidianana... ♦ Efa any Kinshasa nanomboka androany maraina ny ampahany amin'ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny lalaon'i RD Congo ny alakamisy izao, tsy ho avy i Carolus...
♦ Notsenain'ny mpandraharahan'ny Oniversiten'Antananarivo tamin'ny fitokonana androany, ny fidiran'ny taom-pianarana teny Ankatso... ♦ Mbola tsy mitovy hevitra ny samy mpanao gazety, manoloana ny fifidianana ny filoha vaovaon'ny OJM... ♦ Miisa telo ireo mpilalaon'ny Barea tsy ho avy amin'ny fihaonana amin'ny RDC, Isan'ireny i Carolus...
♦ Andro eran-tany ho an'ny toeram-ponenana : Natomboka androany teny Isotry ny fandaharan'asa fanadiovana ho fanatsarana ireo toeram-ponenan'ny mponina eny amin'ny faritra iva... ♦ Tsy misy antony tokony hampiakatra ny vidim-bary mihitsy, na ho avy aza ny maitso ahitra, mbola misy tahirim-bary 100 000 taonina ao Toamasina... ♦ Hovelomina ny orinasam-panjakàna Madarail ho fanamaivanana ny fitanterana entana ho an'ny RN2, famatsiam-bola avy amin'ny banky iraisam-pirenena...
♦ Hafainganina ny asa rehetra fampandrosoana ny tanan-dehibe, ho an'ny tontolo tsy misy entona "carbone" manimba ny tontolo iainana, izay no lohahevitry ny andro eran-tany ho an'ny toeram-ponenana, anio... ♦ Ho atao toeram-pitsangatsanganana amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny torapasik'i Libanona-Tolagnaro, natomboka tamin'ny sabotsy ny asa... ♦ Tokandrano 75 000 avy amin'ny distrika 13 no misitraka ny Vatsin'ankohonana izay tanterahan'ny FID...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco