♦ Nodimandry omaly ny Jeneraly Fidy. Nahafantarana azy ny raharaha 2002, nitarihany ny zana-dambo nanohitra ny miaramila miara-dia tamin'ny filoha teo aloha Ny amiraly Didier Ratsiraka tao Andohanatady-Fianarantsoa... ♦ Tanterahana any Ambositra ny andro siantifika ho an'ny IST andiany faha enina. Mandray anjara avokoa ny IST telo eto amin'ny nosy... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 60 000 Ariary ny iray kilaon'ny Lavanila masaka any amin'ny distrika Vohipeno. Kivy tanteraka ny mpamboly...
♦ Nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny mpanabe ireo mpampianatra mivondrona anaty sendika samihafa. Miantso ny mpitondra hanome lanja ny sehatr'asa fanabeazana izy ireo... ♦ Hanandratra ny asa tanana, vita amin'ny hoditra amin'ny alalan'ny varotra fampirantiana ny mpisehatra : Hetsika Ankora gasik'Art eny Antaninarenina... ♦ Hitohy isan'andro manomboka izao ny famendrahana ranom-panafody mamono tsimok'aretina ho an'ny fiara fitanteram-bahoaka an-drenivohitra...
♦ Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny mpanabe. Tsy diso anjara tamin'ny fankalazana ireo mpampianatra mivondrona anaty sendikà... ♦ Hitohy isan'andro, manomboka izao, ny famendrahana ranom-panafody mamono ny tsimok'aretina, ho an'ny fiara fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra. Natomboka androany teny Analamahitsy izany...
♦ Tsabahan'ny ministeran'ny serasera ny Holafitry ny mpanao gazety, hoy Maître Olalah. Nambaran'ity mpahay lalàna ity fa ahiana ny tsy hisian'ny fahaleovan-tenan'ny Holafitra... ♦ Hahazo onitra avokoa ireo mponina manan-tany sy trano tsy maintsy ravàna anatin'ny tetik'asa Tana-Masoandro eny Imerintsiatosika. Omena tombondahany amin'ny fahazoana trano 320 haorina anatin'ny tetik'asa, ireo rava trano... ♦ Misy efa tratra ireo jiolahy nahavanona ilay fanakanan-dalana amin'ny RN-7, tany Ambositra. Misy amin'izy ireo no nahatrarana ny firavak'ireo mpandeha tamin'iny fanafihana iny...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco