♦ Voasambotra tany Bénin ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny baolina kitra, Arizaka Rabekoto Raoul, raha ny vaovao nivoaka an-gazety androany. Efa mandeha ihany koa ny dingana amin'ny fampodiana azy eto Madagasikara... ♦ Efa misy ireo kôperativa mampihatra ny fampakarana ny saran-dalana nanomboka tamin'ity herinandro ity...
♦ Mitaky ny hanitsiana ny karaman'ny mpiasa tsy ankanavaka ny Firaisan-kinan'ny Sendika eto Madagasikarana ny SSM... ♦ Miantso ny fanjakana hanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ireo sendika ao amin'ny Industrial Global eto Madagasikara... ♦ Tanan-dehibe manerana ny nosy androany, no samy nandray ilay foara ara-toe-karena sy ara-barotry ny Faritra 23 eto Madagasikara...
♦ Tonga androany tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato nhy fatram-baksiny Pfzer 390 000 daozy mahery avy amin'ny fitondrana amerikana... ♦ Namoaka fanambarana ny SECES sampana Antananarivo fa tsy hanao afatsy ny fetr'asa tsy maintsy tanterahana izy ireo hisorohana ny fitokonana... ♦ Nisy namono alina ny vadin'ny pasitoran'ny FLM ao an-tapon-tanànan'i Betroka. Tsy mbola fantatra ny nahavanona ny loza...
♦ Hamaha ny olan'ny tsy fahampian-drano eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin'ny alalan'ny fandatsahana orana artifisialy ny ministeran'ny rano sy ny fanadiovana ary fidiovana miaraka amin'ny Jirama... ♦ May ny foibem-pikarohana CNRIT eny Tsimbazaza. Boky maro mirakitra ny fikarohana nataon'ny Malagasy Mpikaroka no may... ♦ Hetahetan'ny fikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara ny hametrahana teknisiana eny anivon'ny kaominina hanampy azy ireo amin'ny famokarana...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco