♦ Handalo fankatoavana anio eny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakana 2022. Nanakiana izany ireo fiaraha-monim-pirenena ary nilaza fa maika loatra ny handanian’ireo solombavambahoaka izany sahady... ♦ Hanomboka anio any Le Caire ny fivoriana antampony faha-21 n'ny COMESA... ♦ Hiroso amin’ny fandatsahana orana eto amin’ny faritra Analamanga ny Ministeran’ny rano sy ny Jirama, noho ny olan’ny tsy fahampian-drano...
♦ Ny 7,99% n'ny vola sisa no tsy voaloa tamin'ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina. Tsy marina noho izany ny filazana tamin'ny tambazotra sôsialy fa tsy voaloa ny vola nanamboarana izany, hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Nampahafantatra indray ireo mpiasa teo anivon'ny SECREN, mitaky zo, fa mitohy ny fitokonana ataon'izy ireo mandram-pivalin'ny fitakiana...
♦ Azo antoka ny hahatratrarana mialohan'ny faran'ny taona ny vina napetraka amin'ny fanafainganana ny fitsarana ireo voafonja, hoy ny ny Minisitra Imbiky Herilaza... ♦ Marefo ny fampiharan'ny fitondrana malagasy ny didy fisamborana iraisam-pirenena, hoy ny mpahay lalana Alain Andriamiseza... ♦ Hotanterahana amndritra ity herinandro ity, eny amin'ny Cénacle Ambohipo, ny Komity Foibe FFKM faha-43 sy ny Zaikabe faha-9...
♦ Mbola ahiana hatrany ny hitombon'ireo olona ho tratran'ny Covid-19 eto Madagasikara. Nahatratra 45 ireo tranga vaovao, raha ny tatitra ofisialy farany... ♦ Feno ireo mpikambana 9 handrafitra ny CENI. Andrasana ny fianianana hataon'izy ireo mialoha ny hanombohany hiasa... ♦ Tsy mitsaha-miakatra hatrany ireo vidin'ny entana ilaina andavanandro. Maro ireo mpivatra manararaotra sy tsy manara-dalana hoy ny talen'ny varotra sy ny fanjifana...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco