♦ Hisokatra anio ny seranam-piaramanidina vaovao etsy Ivato. Nisy fanovana ny fifanarahana eo amin'ny Fanjakàna Malagasy sy ny Ravinala Airports, nosoniavina omaly teny Iavoloha... ♦ Nanambara ny Banky Foiben'ny Madagasikara fa tsy misy ary tsy mikasa hamoaka vola voavao izy ireo manoloana ny vaovao niparitaka tany amin'ny tambazotra-tserasera...  ♦ Nohalavaina hatramin'ny faran'ny volana desambra izao ny hetsika fanateran'ireo izay mitàna azy ny basy tsy ara-dalana... 

♦ Hisokatra manomboka rahampitso ny seranam-piaramanidina nasiam-panavaozana etsy Ivato... ♦ Nodisoin'ny Banky Foiben'i Madagasikara ny vaovao niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera amin'ny hamoahany vola vaovao... ♦ Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena ny tolakandro teo ny tolo-dalana tsy nampitovy hevitra ny farmasianina sy ny "dépôt de médicaments"...

♦ Ho tanterahana eny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza anio tolakandro, ny fivoriana azon'ny be sy ny maro atrehina, hankatoavana na tsia ny fanenjehana an'ireo manam-pahefana ambony eny amin'ny HCJ... ♦ Ny 96%-ny haba tokony hiditra amin'ny fadintseranana izay voafaritra tao anatin'ny LFI 2021 ankehitriny no efa tafiditra... ♦ Anatin'ny fanadihadiana ara-teknika sy ara-tontolo iainana ankehitriny ny tetik'asa télépherique ao Antananarivo, mba hijerena ny hanafoanana tanteraka ny mety ho voka-dratsin'izany. Natao teny Mahamasina ny fakana hevitry ny vahoaka Malagasy...

♦ Ho fantatra anatin'ny  filan-kevitra manokan'ny ministra anio, ny fanapahan-kevitra ho raisina mikasika ny Covid-19 eto Madagasikara... ♦ hiroso amin'ny fanasaziana amin'izay ny eo anivon'ny prefektioran'Antananarivo ho an'ireo izay minia tsy manaja ny fepetra sakana tsy hiparitahan'ny valan'aretina Covid-19... ♦ Tsy nanjavona akory fa mbola mitohy ny raharaham-pitsaràna mikasika ilay fanondranana antsokosoko volamena milanja 73,5kilao, tratra tatsy Afrika-Atsimo hoy ny tale jeneralin'ny fadintseranana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...