♦ Nisokatra nanomboka androany ny fanadiahadiana momba ilay sambo rendrika tanyAmpenjalava. Karohana fatratra ilay kapitenin-tsambo, izay mbola velon'aina... ♦ Olona telo hatramin'ny antoandro teo no noraisina eny amin'ny CTC Soamandrakizay. Ampy ny mpitsabo sy ny fitaovana, raha ny nambaran'ny Talen'ity CTC ity... ♦ Tsy misy fiovana kosa fa mijanona ho fombafomba fotsiny ihany ny fahavitrihan'ireo mpirotsaka ho fidina, manao tatitra amin'ny fandaniana ara-bola mandritra ny fampielezan-kevitra...
♦ Natokan'ny Fivondronamben'ny Eveka Katôlika eto Madagasikara hivavahana manokana ho an'ireo Malagasy havana matin'ny loza samihafa nitranga teto amin'ny firenena, ny andron'ny talata 28 desambra... ♦ Nisokatra nanomboka androany, mandray an-tanana ireo mararin'ny Covid-19 "forme modérée" ny CTC eny Soamandrakizay... ♦ Mitaky ny tsy hampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fananan-tany, nolanian'ny parlemantera tamin'ity taona ity sy nankatoavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly...
♦ Tontosa ny maraina teo ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny Kolonely Rakotomiliharison Hery Fanomezantsoa... ♦ Ilaina ny fitandremana amin'ny fiatrehana ny fety satria ahiana tsy hijanona hiakatra indray ny antontanisa momba ny Covid-19 raha tsy tratra ny "pic", hoy ny mpitsabo... ♦ Samy nanao izay ho afany ny tsirairay manoloana ny fiatrehana ny fetin'ny Noely, raha ny fanadihadiana natao...
♦ Ho tanterahana anio amin'ny 10 ora maraina etsy amin'ny BANI Ivato ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny Kolonely Rakotomiliharison Hery Fanomezantsoa... ♦ Arahanao ato anatin'izao vaovao izao ny resaka nataon'ny SEG, momba iny fianjeran'ny angidimby tany an-dranomasina iny... ♦ Tahina Malala Rambeloarisoa kosa no nahazo ny laharana voalohany tamin'ilay fifaninanana ohabolana an-tsarimihetsika...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco