♦ Mbola tsy nandrenesam-baovao ôfisialy ihany hatramin'izao ny momba ilay volamena 49 kilao tratra tatsy Comores... ♦ Mitaky ny fametraham-pialan'ny Minisitry ny Angovo sy ny Tale Jeneralin'ny Jirama ny Depiote Todisoa Andriamampandry, manoloana ny fahatapahan'ny herinaratra tato ho ato... ♦ Nanameloka ilay fandratrana tovovavy, tamin'ny fomba feno habibiana tany Fenoarivobe, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka...
♦ Nofoanana ny hetsika saika hamaranana ny fanamarihana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo, anton'izany ny zava-misy ara-pahasalamana eto Antananarivo... ♦ Nisy bolongam-bolamena 49 kg naondrana antsokosoka, tratra tatsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena atsy amin'ny nosy Comores. Misy teratany Malagasy roa voarohirohy amin'io raharaha io... ♦ Hodiovina ny lakan-drano C3, mirefy 17 km, manondraka tanimbary maro eny amin'ny lemak'i Betsimitatatra. Haharitra tapa-bolana ny asa iarahana amin'ny APIPA...
♦ Nofoanana ny fiakaram-ben'ny Diôsezin'Antananarivo ny 9 janoary 2022, fankalazana ny fetin'ny Fianakaviana Masina, saika hamaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Manentana ny tantsaha hamboly hazo sy hiaro ny tontolo iainana ny Tranoben'ny Tantsaha mpamokatra. Tsy maintsy mandray andraikitra ny eny ambanivohitra fa mitady hikorontana ny asa famokarana... ♦ Amin'izao fotoam-pahavaratra izao no hanadiovana ny lakan-drano mirefy 17 km manondraka tanimbary amin'ny hektara maro eny amin'ny lemak'i Bestimitatatra, ao Antananarivo Renivohitra...
♦ Nitondra hafatra noho ny andro anio, hahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny sy hatokana hivavahana ho an'ireo Malagasy maty vokatry ny voina samihafa ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasiakara... ♦ Efa nandraisana fepetra ny fahatapahan'ny herinaratra eo anivon'ireo hôpitalim-panjakana na CTC mandray ireo mararin'ny Covid-19, eto Antananarivo... ♦ Zazavavy iray 28 taona no noratraina tamin'ny fomba feno habibiana tany Fenoarivobe, Faritra Bongolava...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco