♦ Niatrika ny mpitsara androany, ilay teratany frantsay François Marc Philippe, voarohirohy amin'ny rahaharaha "Apollo 21"... ♦ Nihatsara ny fivoaran'ny fiaraha-monim-pirenena teto amintsika ho an'ny taona 2020, araka ny tatitra navoaka androany... ♦ Nitondra ny hetahetan'ny tantsaha teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ireo mpianatry ny sekoly ambony FORMAGRI, niofana ho mpitarika...

♦ Nahitsin'ireo loholon'i Madagasikara ilay volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2022, nialohan'ny nandanian'izy ireo azy omaly... ♦ Hanao tatitra ampahibemaso momba ny fampiasam-bolam-panjakàna ho an'ny taona 2021, ny "Cour de Comptes", amin'ny zoma 10 desambra 2021 ho avy izao... ♦ Tratran'ny velam-pandriky ny zandary ny olona 3 lahy nikasa hivarotra ankizivavy iray tany Antsirabe, saika hamidy 600 000 Ariray...

♦ Fihaonana an-tampony momba ny sakafo ho an'ny fitomboana : 811 tapitrisa ny olona tratry ny mosary eran-tany, ary maherin'ny 155 tapitrisa ny ankizy tsy mitombo ara-dalana noho ny tsy fanjarian-tsakafo. Mila fandraisana andraikitra hoy ny filoha Malagasy tany Japon, ... ♦ Tsy latsaky ny 20 ny ankizy maty vokatry ny hanoanana any Ambindamahery, kaominina Sahanalo, faritra Anôsy... ♦ Raharaha Apollo 21, mbola Paul Rafanoharana ihany no nohainoan'ny mpitsara omaly, tamin'izy 20 mianadahy voarohirohy, tsy mbola nisy didim-pitsarana nivoaka...

♦ Nitohy androany ny raharaham-pitsarana momba ny fifofoana ny ain'ny tompon'andraikitra ambony eto amin'ny firenena, na ny Apollo 21. Nisantatra ny fijoroana nanoloana ny mpitsara i Paul Ranoharana... ♦ Nodinihin'ny vaomeira mpanadihady momba ny ady tany, eny amin'ny Antanimieram-pirenena, ny antontantaratasy miisa dimy amin'ny roanjato voarain'izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...