♦ Isan'ny mampirongatra ny ady tany eto Madagasikara ny fitsarana miangatra sy mitanila hoy ny filohan'ny vaomiera misahana ny fananan-tany eny amin'ny antenimieram-pirenena Naivo Raholidinina. Andro faharoa amin'ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany ny androany... ♦ Nahitam-bokany ny ezaka nataon'ny mpitandro filaminana ao Fianarantsoa. Tratra ireo jiolahy nampahory ny vahoaka efa nokarohana nandritra ny herintaona... ♦ Nisokatra ny faha enin'ny volana jona teo ny taom-pihotazana sy fanangonana ary ny famarotana na anatiny na ivelany ny lojy mainty maso na ny Black Eyes any amin'ny Faritra Boeny...
♦ Notanterahana omaly tao Morondava ny lamesa fisaorana an'Andriamanitra ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Eveka Emeriten'ny Diosezin'i Morondava Mgr Donald Pelettier, nodimandry tany Etazonia ny Alahady teo... ♦ Namoaka boky tsangambaton'ny faha-50 taona niorenan'ny Faritra Jésuites eto Madagasikara ny fikambanan'i Jesoa eto amintsika... ♦ Miantso an'ireo ministra tompon'andraikitra handrava ny tambazotran'ny mpangala-tany eto Madagsikara ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso...
♦ Namoaka boky tsangambaton'ny faha-50 taona niorenan'ny Faritra Jésuites eto Madagasikara ny fikambanan'i Jesoa eto amintsika... ♦ Misy amin'ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, mpitsara, mpandraharaha, olon-tsotra tafiditra ao anatin'ny tambazotra mpaka tany tsy ara-drariny, hoy ny filoha Rajoelina Andry androany... ♦ Mbola tsy misy afatsy ny 17% amin'ireo olona marefo tokony hisitraka fanampiana sy fiahiana ara-tsosialy ihany no mahazo izany hatramin'izao hoy ny FID... ♦ Naneho ny hafaliany tamin'ny fanalavana ho roa volana indray ny fampitsaharana ny poa-basy sy ny ady any Yemen ny Papa François...
♦ Notanterahana androany maraina tao amin'ny Paroasy Katedraly Maria Manjaka, Namahora Morondava, ny lamesa fisaorana an'Andriamanitra sy fanaovam-beloma an'i Mgr Joseph Donald Pelletier... ♦ Kaominina Andrenivohitra efatra amin'ireo 48 any amin'ny Faritra Androy sisa no mbola ao anatin'ny fanaovana maloto ankalamanjana. Ny fanentanana sy ny fandresen-dahatra izay nataon'ny ONG Sahy, izay notohanan'ny UNICEF no nahafaka ireo Kaominina 54 tamin'izany...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco