♦ Mihemotra ny laharan'i Madagasikara eo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Very toerana 13 isika raha ampitahaina ny laharana tamin'ny taona-dasa... ♦ Sarotra ny hilaza fa tena malalaka amin'ny fanatanterahana ny asany ny mpanao gazety eto Madagasikara, indrindra hatramin'ny fotoana nampiroborobo ny tontolo nomerika, hoy James Ramaroson, filohan'ny OJM teo aloha... ♦ Tsy afa-bela fa voatazon'ny fitsaràna ambony, ny 30 volana sazy mihantona, ho an'ny mpitarika ny Randrana Sendikaly sy ny filohan'ny Seces sampana Antananarivo... ♦ Efa tafapetraka eo amin'ny tafon'ny Chapelle sixtine, hanaovana conclace ny cheminée hamantarana ny voka-pifidianana Papa...

♦ Namafisin'ny Fitsaràna ambaratonga ambony androany ny sazy mihantona 30 volana, ho an'ny mpitarika ny Randrana Sendikaly, sy ny filohan'ny SECES teo aloha, noho ilay raharaha fandefasana taratasy teny amin'ny Etamazôron'ny Tafika ny volana oktobra 2023... ♦ Sarotra ny hilaza fa tena malalaka amin'ny fanatanterahana ny asany ny mpanao gazety eto Madagasikara, indrindra hatramin'ny fotoana nampiroborobo ny tontolo nomerika hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao gazety James Ramarosaona... ♦ Namoaka voka-pikarohana hahafahana manampy ireo sekoly sy ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny fanabeazana ny studio M.G...

♦Mbola tsy voafaritra aloha hatramin'izao na ho tanteraka na tsia ny famerenana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolontsaina any amin'ireo kaominina izay nahitàna olana, nandritra ny fifidianana farany teo... ♦ Nanjombona tsy toy ny isan-taona ny fanamarihana ny fetin'ny asa omaly voalohan'ny volana mey ho an'ny sendikan'ny mpiasa FISEMARE... ♦ Nandrombaka medaly volamena 20 isa ny atleta Malagasy fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika natao tatsy Maurice... ♦ Mangata-bavaka amin'ny Kristianina, indrindra ny mpino katôlika, ireo kardinaly mivory ao Rome ankehitriny mba ho tontosa saoamantsara ny "conclave" izay ho atrehan'izy ireo...

♦ Lanonana tsotra tao anatin'ny hafaliana no nitsenan'ny Fianakaviambe Salezianina an'ny Mompera Innocent Bizimana. Izy izay voafidy ho mpanolontsaim-paritry ny fikambanana Salezianina aty amin'ny faritra Afrika-Atsinanana sy atsimo... ♦ Fanombohan-javatra ihany ny omaly 1 mey fa mitohy ny tolona, hoy ny valabe firaisankinan'ny sendika eto Madagasikara (SSM)... ♦ Mandray ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety 2025 ny any Morondava, Faritra Menabe. Haharitra telo andro ny fanamarihana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...