♦ Tsy voatery hotanterahina ny fikaonandoham-pirenena vao hirosoana ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Nilaza ny avy amin'ity antoko ity fa tsy maintsy hirisoana ny amin'ny taona ho avy ny fifidianana... ♦ Mandeha ny feo fa ahiana ny hisian'ny fipoahana ara-tsôsialy aorian'ny fetim-pirenena. Efa misy ny paik'ady hiatrehana ny fitandroana ny filaminana, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna iraisana ny vondrona maromaro eto Madagasikara, ahitàna masoivoho vahiny maromaro. Fanambaràna manoloana ny famonoana an'i Henri Rakotoarisoa, filohan'ny Vondron'olona ifotony MIALO, misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana...

♦ Nohadihadian'ny Bianco omaly Andriamatoa Rivo Rakotovao, filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha. Nambarany fa tsy azo lavina ny fanenjehana ara-politika amin'izao raharaha izao... ♦ Nisehoana fitsaram-bahoaka teny Sabotsy-Namehana omaly. Fiara roa no nodoran'ny fokonolona, vokatry ny hatezeran'izy ireo, tamin'ny lehilahy iray nampijalijaly sy namono zazalahikely, 11 taona... ♦ Mivoatra ny fanadihadiana momba ilay fiparitahana zava-mahadomelina tany Toamasina. Andrasana ny valin'ny fanadihadiana amin'ny fifandraisan'izany amin'ny tranga fakàna an-keriny tovovavy, tato ho ato... ♦ Tsy mitsaha-miakatra ny vidin-tsolika any Frantsa amin'izao, meherin'ny 2,07 Euro ny litatry ny gazoala any an-toerana...

♦ Mbola tsy nisy aloha hatramin'izao ireo olona voasambotra sy voaporofo fa voasaringotra tamin'ireo tranga fakana an-keriny tovovavy tato ho ato... ♦ Nohainoina tetsy amin'ny Bianco Ambohibao androany Andriamatoa Rakotovao Rivo. Nambarany fa tsy voafaritra mazava izay mpitory azy... ♦ Efa tokony hiomana amin'ny andiany manaraka amin'ny valan'aretina Covid19 ny tsirairay, hoy ny Mpitsabo nanaovana fanadihadiana... ♦ Hita tsy lavitra ny tranon'ny olona ahiahiana ho tompon'antoka tamin'ny tsy fahitàna ilay britanika mpanao gazety, ilay teratany breziliana tsy hita niaraka taminy, ny kitapo sy ny fitafian'izy ireo...

♦ Raha tsy misy ny fiovana dia ny Alakamisy 17 jona izao no atao ny fametrahana ny vato fototra amin'ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 na ny RN13, mampitohy an'i Taolagnaro sy Ambovombe-Androy... ♦ Ankora fototra fanaovana rongony mahery vaika, na "cocaïne de base" 18 gony no nodorana tany Tanandava-Toamasina faharoa tamin'ny sabotsy teo... ♦ Analiny ireo Malagasy nisitraka fitsaboana sy fitiliana maimaimpoana nandritra ny Caravane médicale tamin'iny herinandro lasa teo iny, izay nifarana tany Mahambo omaly... ♦ Nahatratra hatramin'ny 50° ny marimpana tany Californie tany Etats-Unis tamin'ny faran'ny herinandro teo...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...