♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy ny tolak'andro teo ny JMJ Mada X, tanterahana any Antsirabe. Tamin'izany no namakiana ny hafatry ny Papa ho an'ireo tanora mpivahiny... ♦ Namitram-pihavanana tamin'ny vahoaka ao Ikongo androany, ny solontenan'ny fitondram-panjakna tonga tany an-toerana. Mitaky fanadihadiana lalina, manoloana ity toe-draharaha ity etsy an-kilany, ny Solombavam-bahoakan'ny Distrikan'Ikongo... ♦ Nanao hetsika fanairana androany, ireo mpiasan'ny orinasa CNAPMAD, noho ny tsy nandraisan'izy ireo karama telo volana izao...

♦ Mihazo ny ao Mandaniresaka hanaovana ny lanonam-panokafana sy ny Sorona Masina fanokafana, amin'izao ora izao, ireo tanora mpivahiny, hiatrika ny JMJ Mada andiany faha-10 any Antsirabe. Eny an-dalam-be, misy ny fanentanana momba ny tontolo iainana, atrehin'izy ireo... ♦ Miray fo amin'ny vahoaka any Ikongo ny governemanta manontolo, hoy ny mpitondra teniny. Mila tezaina isika amin'ny fanajàna ny tany tan-dalana hoy ny ministra Lalatiana Andriatongarivo... ♦ Hirosoana tsy ho ela ny fifidianana ireo mpikambana tompon-toerana eo anivon'ny Antenimieran'ny varotra sy ny Indostria manerana an'i Madagasikara...

♦ "Mitsangàna fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao", Lohahevitra hifantohan'ny JMJ Mada andiany faha-10, hanomboka anio any Antsirabe... ♦ Azo lazaina ho efa milamina amin'ny ankapobeny ny any Ikongo, nidina tany an-toerana omaly ny Praiministra Ntsay Christian sy ny ministra maromaro, nanatanteraka ny fampihavanana sy nametraka ny fitoniana... ♦ Natomboka omaly teny Alarobia ary hitohy androany ny atrikasa fampahafantarana ny drafitrasa mandritra ny fe-potoam-piasan'ny CENI sy ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ho an'ny faritanin'Antananarivo...

♦ Fifandonan'ny mpitandro ny filaminana sy ny andian'olona tany Ikongo omaly : tafakatra ho 21 ny isan'ny maty, 24 ireo naratra, araka ny tatitra nivoaka androany. Nidina ifotony namangy ireo maratra sy ny fianakavian'ny maty ny iraky ny fitondram-panjakana... ♦ Natomboka androany teny Alarobia ny atrikasa fampahafantarana ny drafitr'asa mandritra ny fe-potoam-piasan'ny CENI, sy ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy... ♦ Nampahafantarina teny amin'ny Carlton Anosy, ny vokatra ôfisialin'ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana na ny EDS andiany fahadimy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...