Notendren'ny Papa François androany, ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja, i Mompera Donatien Francis Randriamalala, pretra avy amin'ny fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette.
♦ Mifanalavitra amin'ny zava-misy iainan'ny mpanjifa sy ny iraka nampanaovina an'ireo Tale mpanatanteraka eo anivon'ny orinasa Jirama, ny valin'ny tomban'ezaka natao. Tsy mifandanja amin'ny vola hanarenana ny orinasa Jirama koa ny vokatra azo... ♦ Iray amin'ireo firenena 26 hisitraka famatsiam-bola hanatsarana ny fitaovana fitiliana ny toetrandro, i Madagasikara, nandritra ny COP27... ♦ Tsy manan-kialofana, fa any an'ala kafe ankehitriny, no miezaka monina ny ankamaroan'ireo olona lasibatry ny hay trano tao Evato Farafangana. Miantso ireo malala-tanana ny zanaky ny Faritra Atsimo Atsinanana...
♦ Mbola tsy misy daty raikitra hatramin'izao ny dinika faharoa momba ny "Iles Éparses". Ny fiovam-pitantanana teo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, no anisan'ny antony mbola tsy naharaikitra izany... ♦ Olona maherin'ny 30000 no tratran'ny kere any amin'ny Distrikan'i Manakara, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka avy any an-toerana. Tsy nisy ny vokatry ny tantsaha, noho ny fandalovan'ny rivodoza sy ny hain-tany... ♦ Hampiantrano ny fifaninana iraisam-pirenena eo amin'ny taranja Hand-ball "UHF-Trophy" i Madagasikara ny 24 hatramin'ny 27 nôvambra 2022...
♦ Manoloana ny hirosoana amin'ny fifampidinihana amin'i LaFrantsa, mikasika ireo nosy manodidina, miantso ny firaisan-kinan'ny Malagassy tsy vaky-volo ny antoko AKFM na misy aza ny tsy fitoviam-pijery mba hamerenana izany amintsika... ♦ Horafetina ny tetikasa ho an'ny tanora aty amin'ny ranomasimbe Indiana, mba hampivoarana azy ireo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra, eo amin'ny lafiny pôlitika, toe-karena ary sôsialy... ♦ Heverina ho vita amin'ny faran'ity volana ity ny pitsopitsony ahafahantsika misitraka ny famatsiam-bola avy amin'ny Banky iraisam-pirenena, ho an'ireo fianakaviana marefo noho ny fiakaran'ny vidim-piainana sy vokatry ny hain-tany teto Madagasikara...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco