♦ Tsy tokony hiziriziry ny fitondram-panjakàna, raha misy ny fehin-kevitra tapaka hisian'ny fifidianana madio sy eken'ny rehetra, aorian'ny fampihaonana ataon'ny FFKM, hoy ny vovonana Gasy Leo... ♦ Tra-tehaky ny pôlisy ireo olona miisa 09 mpamono mpampily taxi amin'ny alina eto Antananarivo. Entin'izy ireo mitsoaka ny fiara, hakàna ireo kojakoja fanolo, ka amidy eny Andravoahangy. Mpamily miisa 03 no efa niharan'izany... ♦ Hanomboka ny Alatsinainy izao eny Betongolo ny Fitsaràna miaramila ho an'Antananarivo ho an'ity taona ity. Misy ny tsara ho fantatra momba izany...
♦ Miahiahy ambadika pôlitika amin'ny fisamborana sy fampidirana am-ponja vonjimaika ny tompon'ny La Gazette de la Grande Île ny Federasiôn'ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nanao fanambaràna izy ireo omaly, manoloana ity raharaha ity... ♦ Hosokafana amin'ny mpandraharaha hafa ny fanomezan-dalana amin'ny fahafahana mikirakira lavanila, hoy ny ministry ny varotra sy ny fanjifàna. Nivory niaraka tamin'ireo mpandraharaha mpanondrana ity vokatra ity indray ny Ministera omaly... ♦ Nitombo 36 isa indray ireo nahazo laharam-boninahitra jeneraly eo anivon'ny Foloalindahy malagasy ho an'ny taona 2022. Naseho tamin'ny fomba ôfisaly omaly tamin'ny ministry ny fiarovam-pirenena izy ireo...
♦ Niaiky ny Minisitra Edgar Razafindrahy androany, fa mandalo krizy ny lavanila. Andrasana ny fehin-kevitra tinapaka tamin'ny dinika niarahany tamin'ireo mpandraharaha... ♦ Tsy tokony atao kabary pôlitika fa amin'ny alalan'ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny famahana ny olan'ny orinasa SECREN, hoy ny Filoha Nasiônalin'ny antoko MMM... ♦ Nosokajian'ny mpitandro ny filaminana ho mpandimby an'ny Del Kely kosa, ilay jiolahy maty voatifitra antsoina hoe Iaris...
♦ Mitaky ny hanaovana "audit" ao amin'ny CENI ny FMI-Malagasy. Tokony mitondra fanazavàna antsipirihany momba ny hampiasàna ilay teti-bola 145 miliara Ariary hikarakaràna fifidianana ity Vaomiera ity, hoy Andriamatoa Jean Jacques Ratsietison... ♦ Mangata-bavaka amin'ny rehetra ny FFKM hampahomby ireo dingana samihafa ataony, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hizara telo izany dingana izany, izay hosantarina eny Ilafy amin'ity herinandro ity... ♦ Miantso vonjy maika amin'ny fitondram-panjakàna ny fikambanan'ireo mpitatitra entana amin'ny fiara vaventy. Marary ity seha-pihariana ity eto Madagasikara, ka mila hitadiavana vahaolana, hoy izy ireo...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco