♦ Hitory ireo fandikan-dalàna ataon'ny filoha manao fampielezan-kevitra ankolaka ho an'ireo kandidam-panjakàna amin'ny fitetezam-paritra ataony eny anivon'ny CENI sy ny HCC ny vovonana Firaisan-kina... ♦ Ny fifidianana filoham-pirenena irery ihany no voalazan'ny lalàna fa tokony hiato rehefa misy kandidà mpifaninana maty, miakatra lasa kandidà kosa ny lisitra faharoa mirotsaka ho fidiana manolo ny toeran'ilay kandidà loha-lisitra maty amina fifidianana solombavambahoaka... ♦ Miaina anaty fahantrana avokoa ny 91% amin'ny mponina any Atsimo-Andrefana, Androy ary Anôsy, tokony mandray andraikitra ny fitondrana hoy ny fikambanana maro ao Toliara...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...