♦ Dingana maika andrasana amin’ireo ministra mandrafitra ny governemanta tarihin’ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison ny hanaovan’izy ireo ny fanambaram-pananana araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika an’i Madagasikara… ♦ Laharam-pahamehana amin’ny ady doro ala sy doro tanety ny fihomanana mialoha, nizara traik’efa ny mikasika izany ny tompon’andraikitry ny tetik’asa ny fitantanana maharitra lovain-jafy (FMH)… ♦ Nijoro vavolombelona tamin’ny fitaizany sy ny fampianarany ary ny fahalalany, ireo olona akaiky ny Profesora Jaona Siméon, nandritry ny fankalazana ny faha-100 taona ho an’ity olo-malaza ity… ♦ Nanomboka androany ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidiana ho filoham-pirenena, izay hotanterahiana any Bénin amin’ny alahady 12 avrily ho avy izao…
♦ Misedra olana amin’ny fisitrahana herinaratra indray ireo mpanjifan’ny JIRAMA. Antony samihafa no ambaran’ny JIRAMA eo amin’ny pejiny fa mahatonga izany olana izany… ♦ Hamafisina manomboka izao ny fameranana amin’ny Fanjakàna sy amin’ny vahoaka, ireo vola sy fananana voageja azo tamin’ny kolikoly. Laharam-pahamehana ihany koa ny fanenjehana ireo olom-baventy tompon’andraikitra ara-panjakàna mpanao kolikoly… ♦ Olona telo tamin’ireo enina natolotra teo anivon’ny Fitsaràna no nampidirina am-ponja, izay voasaringontra amin’ny fivarotrana sy famoahana laza adina eny amin’ny ENMG… ♦ Hatsahatra mandritra ny 10 andro indray hoy Donald Trump ny fikasana handrava ireo tobi-pamokarana herinaratra any Iran…
♦ Nihazo an’i Guinée Equatorial, androany, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, hidinika amin’ireo mpitondra Afrikana ny momba ny sazy apetraka amin’i Madagasikara, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena… ♦ Arovan’ny fitondrana Fanavaozana ireo miady amin’ny kolikoly, ireo mpitondra ambony, hoy ny Praiministra ; ambarany fa tena henjehina amin’izany ireo vaventy manomboka izao… ♦ Ministera maromaro sahady no nahavita famindram-pahefana, teo amin’ny ministra vaovao sy ny teo aloha, androany, taorian’ny fanendrena omaly… ♦ Namoy ny ainy ny lehiben’ny tafika an-dranomasina Iraniana, izay voalaza fa niantsy an’i Filoha Amerikana…
♦ Hanao vaindohan-draharaha amin'ny ady amin'ny kolikoly ny fitondrana hoy ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika. Tsy handeferana intsony ireo fambolena korontana sy fampisaraham-bazana ny samy Malagasy hoy ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Niatrika fanadihadiana teo anivon'ny Inspection Générale de l'Etat teny Antaninarenina omaly ny ministry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondranirina Marie Michelle... ♦ Malagasy avokoa ny ankamaroan'ireo miasa ao amin'ny Madagascar Oil amin'izao fotoana izao. Manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny orinasa...
• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco