♦ Marefo ny fihavanana ka mila fanafody, hoy ny hafatry ny Justice et Paix eto Madagasikara. Nivory teto Antananarivo nandritra ny efatra andro ity vaomiera ity, nitondra hafatra momba ny zava-misy iainan'ny Malagasy... ♦ Maromaro ireo kandidà Solombavam-bahoaka no tsy nahafeno ny antontan-taratasy firotsahany, nolavin'ny OVEC... ♦ Tsy mahafaly ny mpiasa ilay fisondrotan-karama notapahana ho an'ity taona 2024 ity, hoy ny sendikà FISEMARE androany. Hafana ny hetsika fanoherana izany amin'ny voalohan'ny volana mey...

♦ Miandry ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona vao ho fantatra ny didim-pitsaràna momba ny raharaha anenjehana azy hoy ny mpisolovava miaro azy... ♦ Mamporisika ny vehivavy handray anjara amin'ny fifidianana, indrindra fa ny fifidianana ben'ny tanàna, ny filoham-boninahitry ny CNFM sy ny VMLF Ramatoa Ranampy Zenaïde... ♦ Miatrika ny ady amin'ny valala ny ao amin'ny distrikan'Ankazobe, Faritra Analamanga. Manatanteraka ny asa ny ao amin'ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara na ny IFVM... ♦ Maty vokatry ny zera baomban'ny israeliana ny zanakalahin'i lehiben'ny Hamas palestinian Ismaël Haniyeh miisa telo miampy ny zafikeliny miisa efatra...

♦ Hoamasinina ho Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo amin'ny volana mey ho avy izao i Mgr Rakotoharisoa Jean Claude. Manasa ny vahoakan'Andriamanitra hanatrika izany ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Hifarana anio ny fahafahan'ireo kandidà voahiliky ny OVEC hitondra fitarainana eny amin'ny CENI foibe. Hamoaka ny lisitra ôfisialy ny CENI ny faha-16-ny volana aprily izao... ♦ Nandrotsaka kandidà miisa 40 amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao ny antoko AREMA. Isan'ny kandidà nirotsaka any amin'ny distrika Mahanoro ny sekretera nasiônaly Annick Ratsiraka... ♦ Namerina ny antso efa nataony hisian'ny filaminana ao Ukraine, ny Tany Masina ary ny any Birmanie ny Papa François tamin'ny audience général...

♦ Nihazo an'i Morombe androany, ny delegasiôna avy any Toliara, hanatrika ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy, an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré, ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe... ♦ Naneho hevitra tao amin'ny onjam-peo iraisam-pirenena frantsay na ny RFI, Ramatoa Christine Razanamahasoa. Tsy mitombina ny fitsarana nataon'ny HCC, hoy izy... ♦ Nanolotra zezika 2.000 taonina, hamatsiana ny tantsaha mpamokatra eto Madagasikara, ny Governemanta Sinoa, tamin'ny alalan'ny Masoivohony miasa sy monina eto amintsika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...