♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny mosary ny sendika Seces sampana Antananarivo amin'ny taona ho avy manoloana ny tsy fahampian'ny orana any amin'ireo toerana fambolem-bary sompitr'i Madagasikara... ♦ Mbola olana tsy voafaritra hatramin'izao ny karama farany ambany ho ampiharina amin'ny taona ho avy. Maro anefa ireo mpiasa mbola tsy nisitraka ny karama farany ambany 250.000 Ariary mandraka ankehitriny... ♦ Mandeha ny feo ankehitriny fa hisy vahiny mpitrandraka alefa ao Sahantona Mandritsara. Tsy miombon-kevitra amin'izany ka manao antso avo amin'ny fitondram-panjakàna ny solombavambahoaka any an-toerana...

♦ Hatao ny 28 desambra izao ny fandraisana ara-teknika ny dingana voalohany amin'ny tetik'asa MIAMI any Toamasina... ♦ Tandindomin-doza ny voly lavanila ao amin'ny Kaominina miisa dimy any amin'ny Distrika Ambanja, Faritra Diana manoloana ny fitrandrahana terre-rare... ♦ Ny iray ampaha-telon'ny olona tonga nizaha fahasalamana tao amin'ny Hôpitaly HJRA afak'omaly 24 desambra sy hatramin'ny omaly 25 desambra tolakandro dia vokatry ny lozam-pifamoivoizana avokoa, ary mpitondra moto ny ankamaroany...

♦ Hafatra Noely 2022 avy amin'ny FFKM : aoka tsy ho mpihaino fotsiny fa tena iaina ny Tenin'Andriamanitra isika. Mitarika antsika handinintena anatin'ny fanetren-tena ny Filazantsaran'ny Famonjena ka tsy hifampihantsy isika ary hiala amin'ny fahalovana sy ny ratsy fanao... ♦ Misafidy hiara-mivavaka, miara-mifety ary mizara fanomezana ho an'ireo olona ampian'i Père Pedro eny amin'ny Akmasoa hatrany ny Filoham-pirenena sy ny vady aman-janany isaky ny fetin'ny Noely... ♦ Nizotra tamim-pilaminana amin'ny ankapobeny ny fetin'ny Noely nanerana ny nosy. Nampitomboina rahateo ireo mpitandro ny filaminana nanao fisafoana ary mbola mitohy amin'ny fety handraisana ny taona voavao ihany koa izany...

♦ Mankasitraka ny finiavan'ny Fanjakàna amerikana hanampy amin'ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara ny antoko Malagasy-Miara-Miainga mba ho antoky ny fitoniana... ♦ Mizarazara ny hevitr'ireo mpanao pôlitika manoloana ny famaritana ny atao hoe fitoniana... ♦ Maro ny tsara ho fantatra sy ny fiomanana amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely izao... ♦ Voaroaka ao Burkina-Fasso ny mpandrindra ny rafitry ny firenena mikambana Barbara Manzi...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...