♦ Misy "vide juridique" eto Madagasikara, taorian'ny nahafantarana fa mizaka zom-pirenena vahiny ny filoham-pirenena hoy ny filohan'ny antoko MFM. Miantso ny Antenimieram-pirenena, handray andraikitra ity antoko ity, noho izany olana amin'ny lafiny lalàna izany... ♦ Misy mahatratra hatrany amin'ny adiny 15 isan'andro ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo amin'izao. Tsy indray mandeha isan'andro intsony no misy ny "delestage" fa miverimberina ary antoandro sy alina mihitsy... ♦ Nahazo rariny ny Randrana Sendikaly, nandritra ny fivoriam-ben'ny OIT. Nitory tany Génève ity vondrona Sendikaly ity, manoloana ny ambaran'izy ireo fa fanitsakitsahan'ny Fanjakana Malagasy ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fahalalahana ara-tsendikaly...
♦ Nolanian'ny Solombavam-bahoaka androany ny volavolan-dalàna mametraka ny Faritra vaovao faha-24. Ny Faritra Ambatosoa... ♦ Mametraka fanamby hanana mpanara-maso amin'ireo biraom-pifidianana manerana ny nosy, amin'ny fifidianana hatao amin'ity taona ity, ny Safidy...
♦ Nitohy androany ny hetsika nataon'ireo olona avy amin'ny 106 tafo, misedra olana ara-tany eny Antohomadinika Atsimo. Milaza ny tsy hampiato ny hetsika izy ireo raha tsy mahazo kara-tany... ♦ Mbola mitana ny faniriany hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena amin'ny fifidianana ho avy, Andriamatoa Paraina Auguste... ♦ Manahy ny amin'ny mety haharatsy ny vidin'ny vokatra lavanila maitso, ireo tantsaha any Mandritsara, amin'izao fisokafan'ny tsenan'ny lavanila izao...
♦ Niteraka rasabe ilay vaovao niparitaka momba ny fizakan'Andriamatoa Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay, nefa Filoham-pirenena Malagasy. Nanamly ny momba izany ny Minisitry ny Serasera androany, raha nanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Nivoaka alina ny didim-panjakana mamaritra ny karama farany ambany eto Madagasikara amin'ity taona ity. Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly, nilaza fa sahy mampidina ny karaman'ny mpiasa ny fanjakana, tamin'ny famoahana didim-panjakana...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco