♦ Misy fiantraikany goavana eo amin'ny fampianaran-janaka any Soanierana Ivongo, ny olan'ny seha-pihariana lavanila. Nankahery ireo ray aman-dreny, ny kandidà ho Filoham-pirenena, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Nitarika tsy fitovian-kevitra tao an-drenivohitr'i Manjakandriana, ny fikitihana ny tsangam-baton'ny 29 marsa 1947... ♦ Olona telo no nampidirina am-ponja vonjy maika, vokatry ny fahafatesan'ny mpianaka tany Betafo, ny alahady teo...
♦ Nisedra olana tsy toy ny tany amin'ny Faritany dimy hafa ny fanapahana amin'ny famerana ny naoty amin'ny fahafahana fanadinana Bakalôrea, ho an'ireo teo amin'ny Faritanin'Antananarivo... ♦ Tsy mitombina intsony ny fitoriana nataon'ny antoko MMM, amin'izao fanomanana ny fivoahan'ny lisitra amin'ny fomba ôfisialy izao, hoy ny Fitsarana... ♦ Nametraka fitoriana miisa roa an'i Raïssa Razaivola, ny Lehiben'ny Firaiketan-draharaham-pitsarana Ambaratonga Voalohany eo Anosy sy ny Mpitsara iray eo anivon'ny PAC...
♦ Azo ampiasaina ao aorian'ny fanitsiana ny lisi-pifidianana, hoy ny tatitr'ireo manam-pahaizana nanao fitsirihana teny Alarobia androany. Tsy manome antoka hahazoana zotram-pifidianana madio anefa izy ireo, raha ny lisitry ny mpifidy fotsiny... ♦ Nitrangana olana ny famoahana ny valim-panadinana Bakalôrea, ho an'ny Faritanin'Antananarivo. Tsy mety manao ny "délibération" ireo mpampianatra, noho ny tsy mbola nandraisan'ireo mpitsara ny taratasim-panadinana, ny tambin-karamany...
♦ Hanafatra katsaka 45.000 taonina hanampiana ny tolotra tsy ampy eo amin'ny tsena ny MPE sy ny IPA Madagascar. Nankatoavin'ny ministera tompon'andraikitra ny antontan-taratasy momba izay fanafarana izay... ♦ Manana tetik'asa hampitomboana ny fanjifan'ny mponina an-tanàn-drehibe trondro ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga. Misy ny fiaraha-miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka hiadiana amin'ny tsy fahanjarian-tsakafo mahazo ny 42% amin'ny zaza Malagasy... ♦ Mijoro ankehitriny ny Tambajotran'ny Firasan-kina ho an'ny Fandriampahalemana Iraisan'ny Rehetra na ny RESPIR. Tambazotra najoron'ireo firenena aty amin'ny Ranomasimbe Indiana...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco