♦ Ahiana hafampana ny zava-misy eny Ampasapito, manoloana ny hetsika samy hafa hataon'ny mpomba ny kandidà miisa 11 sy ny avy amin'ny kandidà laharana faha-3... ♦ Lany ho Filohan'ny Antenimieran-doholona ny maraina teo, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Loholona vao notendrena farany teo... ♦ Tombanana hanorana mety arahan-kotroka ny eto amin'ny Faritra Analamanga, anio sy rahampitso...

♦ Mbola hitohy anio ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny Antenimieran-doholona. Tsy tapak'ireo Loholona omaly ny fanesorana amin'ny toerany ny Filohany, Razafimahefa Herimanana... ♦ Mihemotra ho amin'ny 16 nôvambra 2023 ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, fihodinana voalohany, ary niampy 15 andro ny fampielezan-kevitra. Voatazona ny datin'ny 20 desambra, fifidianana fihodinana faharoa... ♦ Hifamaliana ny resaka fanakorontanana eo amin'ny kandidà laharana faha-3 izay manohy ny fampielezan-kevitra sy ny vondron'ireo kandidà 11, tsy mihemotra amin'ny diabe amim-pilaminana...

♦ Mihemotra ho amin'ny 16 nôvambra 2023, ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena fihodinana voalohany, araka ny fanapahana navoakan'ny HCC... ♦ Nesorin'ireo Loholona miisa 15 tamin'ny toerana maha Filohan'ny Antenimieran-doholona azy, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana... ♦ Tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana ny kandidà Andry Rajoelina, saingy tsy midika izany fa manohitra ny fanapahan-kevitry ny HCC ny tenany...

♦Miantso ny tompon'andraikitra ny fifidianana mba hanao ny fomba hampizotra ny fifidianana araka ny tokony ho izy, tsy misy fitanilàna ny vaomieran'ny Eveka misahana ny rariny sy ny fandriam-pahalemana... ♦ Miantso fitoniana manoloana ny zava-misy ankehitriny ny filohan'ny antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa. Tonga teny amin'ny Lapa Anosikely nanokatra ny fivoriana tsy ara-potoan'ny loholona izy... ♦ Asa mitohy ny ady amin'ny valala. Afaka miatrika ny ady atao ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin'ireo Ministera hafa sy ny mpiara-miombon'antoka hoy ny Ministra Ramilison Harifidy...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...