Misy azo amboarina hifanaraka amin'ny filàn'ny vahoaka ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàana 2025 hoy ny firaisamonim-pirenena CCOC...
Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Fanjakàna nanala ny fepetra nampiato ny sehatr'asan'ny orinasa Base-Toliara nanomboka ny taona 2019...
Tanterahana ao Fenoarivo-Atsinanana androany ny fanamarihana ny andiany faha-19 amin'ny androm-pirenena ho an'ny fanjariantsakafo, anombohana ihany koa ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny ONN...
Nomarihana omaly any andro iraisam-pirenena ho firaisan-kina amin'ny vahoaka palestiniana. Fankalazana fanao isan-taona nanomboka ny taona 1977...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.