♦ Ambohim-pihaonan'ireo mpanara-dia ny hetsiky ny vondron'ny kandidà 10 ny eny amin'ny Coliséum Antsonjombe anio tolak'andro. Andrasana ny kabarin'ireo kandidà manoloana ny fivoaran'ny raharaham-pirenena, indrindra ny omaly... ♦ Nanazava ny solombavambahoaka Rasidimanana fa ny hanànana porofo amin'ny halatra mety hiseho amin'ny fifidianana no anisan'ny antony nanaovan'ny kandidà Siteny Fampielezan-kevitra. Mbola miara-dia amin'ny hetsiky ny vondron'ny kandidà 11 ny avy amin'ny Mihava tour hoy izy... ♦ Sokatra 149 isa, indray, no tra-tehaky ny Zandarimariam-pirenena tany atsimon'ny nosy, saika ahondrana an-tsokosoko. Olona roa no voasambotra, izay nilaza fa efa nanao kitoza ny sasany tamin'ireo biby harovana ireo...
♦Notendren'ny HCC ho filoham-panjakàna vonjimaika indray ny Filohan'ny Antenimieran-doholona vaovao Richard Ravalomanana. Nolaviny kosa ny fitorian'ireo solombavambahoaka miisa 38 sy ny filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha... ♦ Hamory ireo mpomba azy eny amin'ny Coliseum Antsonjombe indray anio ny vondron'ny kandidà 10 mirahalahy, ho fanohizana ny fitakian'izy ireo. Nisy ny fifandisoan-kevitra momba ny fampiasàna ny eny an-toerana... ♦ Asa an'aliny maro no atahorana ho very eto amintsika, raha tsy hitohy intsony ny fandaharan'asa AGOA amin'ny taona 2024. Ahiana ny tsy hitohizan'izany, noho ny krizy pôlitika misy eto amintsika, hoy ny sendikà Fisemare...
♦ Notendren'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ho Filoham-panjakana vonjimaika, ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, ny Jeneraly Richard Ravalomanana... ♦ Kendrena ho vita amin'ny volana febroary amin'ny taona ho avy ny dingana voalohany amin'ny fitaterana an-tariby amin'ny zotra Anosy hatreny amin'ny Gara Soarano... ♦ Ampy hiatrehana ny maisto ahitra ny tahirin'ireo sakafo ilaina amin'ny fiainana andavanandro eto amintsika...
♦ Hijoro hanohana ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena, ireo antoko sy vondron'antoko izay nanao fanambarana teny Ilafy, ny maraina teo... ♦ Ain-dehiben'ny firenena ny Fadintseranana, ka tsy mety raha atao takalon'aina amin'ny tsy fitovian-kevitra ara-pôlitika, hoy ny Tale Jeneralin'ny Fadintseranana... ♦ Manamarika amin'ny fomba ôfisialy ny Androm-pirenena ho an'ny Varika ao amin'ny faritra arovana Maromizaha, i Madagasaikara anio...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco