♦ Manara-maso hatrany ny zotra-pifidianana ny mpanara-maso SAFIDY na misy aza ny fifandirana eo amin'ireo kandidà mandray anjara... ♦ Hamafisina ny fiambenana ny roba ary hampiana ny fikambanan'ny Fianakaviana amin'ny asa fanarenana ny toerana manan-tantara anatin'ny Rovan'Antsahadinta. Fanapahan-kevitry ny mpitondra taorian'ny nahamay ny tranon-dRabodozafimanjaka alina... ♦ Mitoka-monina tanteraka ny distrikan'Ambatoboeny efa ho roatokom-bolana noho ny fahatapahan'ny tetezana iray, mampifandray ity distrika ity amin'ny distrika hafa... ♦ Handray fepetra henjana hiadiana amin'ny herisetra mahazo vahana any Brezila ny filohany Lula Da Silva...
♦ Ho tonga eto Madagasikara anio etsy amin'ny seram-piara-manidina Ivato ny nof mangatsiakan'i Mgr Antoine SCOPELITI. Ho tanterahana ny alahady 5 nôvambra izao ao amin'ny katedraly Ambatoambo Ambatondrazaka ny fandevenana... ♦ Hitohy anio ny hetsika ataon'ny vondron'ny kandidà taorian'ny fihatoana omaly sy afak'omaly. Manameloka ny fomba anohitohina ny fiainam-pirenena ny governemanta manoloana ny fikasana hidina eny amin'ny kianjan'ny 13 mey.. ♦ Nanokana 2 andro hampafantarana ny asan' ny Comptable ny holafitr'izy ireo. Hetsika hanomboka anio alakamisy 2 nôvambra sy rahampitso 3 nôvambra izao, tafiditra amin'ny famaranana ny faha 60 taona ny holafitry ny expert comptable...
♦ Ho tonga eto Madagasikara amin'ny alakamisy 2 nôvambra 2023, ny nofo mangatsiakan'i Mgr Antoine Scopelitti. Hotanterahana ny alahady 5 nôvambra 2023 ao amin'ny Katerdraly Ambatoambo Ambatondrazaka, ny fandevenana azy araka ny fomban'ny Eglizy... ♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena androany, ny vondron'ny kandidà. Tsy nisy nipika ny votoatin'ny resaka nifanaovan'ny andaniny sy ny ankilany. Finiavana samy irery avy amin-dRamatoa Razamahasoa Christine, izao nandraisany ny vondron'ny kandidà izao...
♦ Ny sabotsy izao ny vondron'ireo kandidà 10 sy ireo mpiara-dia aminy no hidina eny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Voalaza fa mivory manomana izy ireo amin'ny alalan'ny fihaonana amin'ireo hery velona samihafa androany... ♦ Tsy mitovy hevitra ireo mpikambana 9 eo anivon'ny HCC tamin'ny famoahana ilay fanapahana nanendry ny Jeneraly Richard Ravalomanana hitantana vonjimaika ny firenena. Nanaitra ny maro ny fivoahan'izany voavao izany... ♦ Ho avy eto Madagasikara indray amin'ny volana febroary 2024 ilay sambo hôpitaly "Mercy ships", afaka manao fandidiana maimaimpoana ireo aretina samihafa. Hisokatra ny 27 novambra izao ny fisoratana anarana ho an'ireo mila fitsaboana avy aminy...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco