• Tafakatra amin'ny lalao manasa-dalana ny Barean'i Madagasikara, rehefa naharesy an'i Kenya tamin'ny “tirs au but” 4 no ho 3. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta tao aorian'ny fanalavam-potoana... • Tsy azo ekena ny fahateren'ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahalalahana ara-politika ao amin'ny tany mpikambana ao amin'ny SADC. Isan'ny nivoitra tamin'ny fehin-kevitry ny Forum an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC izany... • Miantso ny firaisan-kinan'ny mpanao gazety rehetra tsy hanavahana Andriamatoa James Ramarosaona, Filohan'ny Holafitra teo aloha, manoloana ny olana iainan'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara tato ho ato...

• Nandefa teny fiarahabana sy tsodrano ho an'ny Filohan'ny Fiangonana FJKM vao voafidy, ny Fivondronamben'ny Eveka androany... • Mbola maresaka eo amin'ny sehatra politika ny fitantanan'ny Filoham-pirenena Malagasy ny vondrona SADC manomboka izao... • Miandry fatratra ny lalao ampahefa-dalan'ny CHAN, hifanandrinan'i Kenya sy i Madagasikara ny mpanohana ny Barea. Lalao hiady io rahampitso io, hoy ny mpamakafaka baolina kitra...

♦ Andro faha-4 amin'ny fihaonambe "Forum" ho an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC tanterahana eto Antananarivo ny androany. Nisy omaly ny atrik'asa momba ny fandraisana andraikitry ny vehivavy amin'ny raharaham-pirenena... ♦ Miara-miasa amin'ny fanavahana sy ny fanodinana ny fako ao Toamasina ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ny Orinasa Agrotech. Tontosa omaly ny sonia momba izany... ♦ Miatrika zaikabe ao Antsirabe ny tanora avy amin'ny Fiangonana Anglikàna eto Madagasikara (EEM) Tanora miisa 2.000 avy amin'ny Diôsezy enina manerana ny nosy no mandray anjara...

♦ Lany filoha hitantana ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy. Tontosa alina tany Taolagnaro ny fifidianana. Izy no handimby ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammy... ♦ Miray feo ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fifidianana eto Madagasikara fa tokony ampahafantarina amin'izay ny daty hanaovana ny fifidianana Loholona amin'ity taona ity. Mila hajaina ny dingana voarakitry ny lalàna hoy ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Nivoaka androany ny valin'ny fanadinana bakalôrea ho an'ny Faritany Toamasina. Nahatratra 55,36% ny taha-pahafaham-panadinana tamin'ity taona ity...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...