♦ Tsy maintsy hisy ny fifidianana amin'io taona 2024 ho avy io hoy ny eo anivon'ny CENI. Hosantarina amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina izany ka miankina tanteraka amin'ny governemanta hijoro eo ny hamaritra ny daty... ♦ Niverina eny Anosikely ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Nanomboka nandray ny asa indray amin'ny maha-filohan'ny Antenimieran-doholona azy izy omaly, rehefa nitantana vonjimaika an'i Madagasikara tao anatin'ny iray volana sy 11 andro... ♦ Miasa hatrany ireo mpitsara na eo aza ny fialan-tsasatry ny fitsarana manerana ny nosy nanomboka androany. Entanina mba hanaraka akaiky izany eny amin'ny Fitsarana ireo manan-draharaha voakasika hoy ny tompon'andraikitra...
♦ Voamarina ny fisian'ireo olom-pirenena tsy nahazo kara-pifidianana avy amin'ny Fokontany, tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro, noho ny loko pôlitika tsy mitovy... ♦ Misy ny fiandrasan-draharaha eny amin'ny Fitsarana mandritra ny fialan-tsasatra ara-pitsarana, izay nanomboka androany, ary haharitra iray volana... ♦ Tombanana hahazo vahana ny oram-baratra amin'ny faritry ny afovoan-tany amin'ity herinandro ity, hoy ny Météo Malagasy...
♦ Andrasana ny fijoroan'ny Governemanta, taorian'ny fihanianan'ny filoha ny Sabotsy teo. Tokony ireo ministra tsy manadino vahoaka, rehefa mahazo toerana no mandrafitra ny governemanta vaovao hoy ny AMP, fikambanana tanora mpanohana ny fitondràna... ♦ Niaka-bidy ny hen'omby eny amin'ny tsena eto Antananarivo amin'izao ka nahitana fiakarany 2000Ariary isaky ny kilao. Mampitandrina ireo manararaotra amin'izao fety izao ny eo anivon'ny Ministeran'ny fiompiana... ♦ Manantena ny hanamboarana ny lalana mampitohy an'i Tsiroanomandidy - Maintirano ny fikamban'ny ben'ny tanàna any amin'ny Faritr'i Melaky amin'izao fe-potoam-pitondrana faharoa izao. Telo andro ankehitriny no hanaovana izany lalana izany...
♦ Nahavita ny fihanianany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka nandraisany ny asa maha filohan'ny repoblika azy ; banga ny toeran' ireo vondron'ny kandidà 11, nandritra ny lanonam-pihanianany teny Mahamasina... ♦ Nilaza ho nisy nandrahona hisambotra ireo ray aman-dreny ara-drazana eo anivon'ny ARFM, nanao fomba ara-drazana teny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo izy ireo ny sabotsy teo ho fanoherana ny lanonam-pihanianana teny Mahamasina ♦ Miantso ireo mpisehatra pôlitika rehetra eto Madagasikara hisian'ny fifampidinihana pôlitika ny masoivohan'ny Angeletera eto Madagasikara, mila hapetraka ny fifampitokisana mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana manaraka hoy izy...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco