♦ Namoaka ny isa azo sy laharana misy an'ireo firenena eran-tany momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Transparency International. Any amin'ny laharana faha-145 amin'ny firenena 180 no misy an'i Madagasikara... ♦ Mbola tetezamita mitanila ny fitondrana misy ankehitriny hoy ny Cellule de Crise "Diovy i Madagasikara". Tsy handray anjara amin'ny fifidianana ho avy eo izy ireo araka ny tapaky ny mpikambana... ♦ Hajanona amin'izay hoy ny governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka ny fanariana fako eny Anosipatrana. Efa miverina amin'ny laoniny mantsy ny fidirana amin'ny fanarina fako eny Andralanitra... ♦ Nomelohan'ny fitsaràna any Pakistan 10 taona an-tranomaizina ny Praiministra teo aloha Imran Khan...

♦ Miantso ny Governemanta, hidinika amin'ny rehetra momba ny fanatanterahana fifidianana, ny Vovonana Gasy Leo. Kajikajy pôlitika ny hampiarahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka, hoy izy ireo... ♦ Mitaky amin'ny CENI, ny tokony hamoahana ny datim-pifidianana, ny antoko Humaniste Ecologique. Ahiana, hoy ity antoko ity, fa sao miandry baiko avy amin'ny fitondrana ny CENI, vao hamoaka ireo tetiandro... ♦ Ahiana hisy fiforonana rivodoza indray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hisy rindrin-drahona handalo any amin'ny ilany atsimo atsinanan'ny nosy, manomboka rahampitso...

♦ Tsy zava-baovao teto amin'ny firenena ny fikarakarana fifidianana roa samy hafa, hoy ireo fikambanana sy firaisamonim-pirenena, mpanara-maso fifidianana eto Madagasikara... ♦ Olana iray mbola mitoetra eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina hatramin'izao, ny fanalana fako... ♦ Nisy indray lalana tapaka, vokatry ny rotsak'orana, any amin'ny Faritra Sava, eo amin'ny PK 405 amin'ny Lalam-pirenena faha-5A...

♦ Vonona handray anjara amin'izay fifidianana manaraka eo ny antoko TIM, ary manentana ny mpanara-dia azy hijery sy hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Miisa 9 ireo olona namoy ny ainy, 5 tsy hita popoka ary maherin'ny 9400 ireo tra-boina noho ny fisian'ny rotsak'orana be loatra manerana ny nosy, nanomboka ny 16 janoary, hoy ny BNGRC... ♦ Hafainganina ny dingana rehetra amin'ny fampisitrahana ireo Malagasy am-pielezana, ny pasipaoro, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...