♦ Manome lanja ny mpiasa misehatra amin'ny asa sôsialy, ny fitondram-panjakana. Fanambarana nataon'ny Minisitra Razakaboana Hanitra, nandritra ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Asa Sôsialy sy ny faha-20 taonan'ny FPT SD, teny Analakely... ♦ Mbola nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA no nanohy ny fitakiana androany. Tsy afa-po tamin'ny karama noraisiny izy ireo... ♦ Nandray ny asany androany ny Tale Jeneralin'ny Fambolena sy ny Fiompiana, Anondraka Michel, ao amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...
♦ Samy nanangana Vovonana ireo mpomba sy ny mpanohitra ny fitondràna, hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey. Arahin'ny maro ny mety ho fifandanjan-kery eo amin'ny roa tonta amin'izany... ♦ Kasaina homena ampiasain'ireo mpanao asa tanana ireo hazo sarobidy nogiazana eto Madagasikara. Hojerena ny fomba afahana manao izany hoy ny Ministry ny Fizahan-tany sy ny Asa-tanana... ♦ Tsapan'ny mponina any amin'ny Faritr'i Menaba ny fiverenan'ny fandriam-pahalemana taorian'ny nanendrena ny Kôlônely Faneva hiasa any an-toerana. Iray volana izao no nitarika ny fampandrian-tany any an-toerana izy... ♦ Voatifitry ny tafika israeliana ny laharana fahatelo eo anivon'ny vondrona Hamas, Marwan Issa...
♦ Handrotsaka kandidà tokana ireo mpomba ny fitondràna hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao. Nampahafantarina omaly hariva ny Vovonana Isika Rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina... ♦ Nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA, mandraoka fako ao an-drenivohitra no nindaosin'ny fahafatesana, noho ny olan'ny tsy fandraisana karama. Mbola nanohy ny fitokonana teny Nanisàna ny sasany tamin'izy ireo omaly... ♦ Hiatrika lalao iraisam-pirenena roa ny Barean'i Madagasikara ny faran'ny herinandro izao. Efa manomboka tonga eto an-tanindrazana ireo mpilalao mpila ravinahitra nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena... ♦ Nilaza ny fitondràna israeliana omaly fa nahalavo mpiadin'ny Hamas miisa 20...
♦ Mbola nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA androany, no nanohy ny fitakiana teny Nanisana. Miandry fatratra ny rahampitso izy ireo, fotoana voalazan'ny tompon'andraikitry ny Kaominina fa handoavana ny karama... ♦ Isan'ireo mpanara-maso iraisam-pirenena tamin'ny fifidianana natao tany Rosia ny CENI avy eto Madagasikara. Nisolo tena, ny Mpampaka-teny voalohany sy ny Tonia Mpanatanteraka... ♦ Manomboka ho lany tamingana ireo hazo fampiasa amin'ny fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara, hoy ny ANTM...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco