♦ Nitohy androany ny hetsika nataon'ireo olona avy amin'ny 106 tafo, misedra olana ara-tany eny Antohomadinika Atsimo. Milaza ny tsy hampiato ny hetsika izy ireo raha tsy mahazo kara-tany... ♦ Mbola mitana ny faniriany hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena amin'ny fifidianana ho avy, Andriamatoa Paraina Auguste... ♦ Manahy ny amin'ny mety haharatsy ny vidin'ny vokatra lavanila maitso, ireo tantsaha any Mandritsara, amin'izao fisokafan'ny tsenan'ny lavanila izao...
♦ Niteraka rasabe ilay vaovao niparitaka momba ny fizakan'Andriamatoa Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay, nefa Filoham-pirenena Malagasy. Nanamly ny momba izany ny Minisitry ny Serasera androany, raha nanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Nivoaka alina ny didim-panjakana mamaritra ny karama farany ambany eto Madagasikara amin'ity taona ity. Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly, nilaza fa sahy mampidina ny karaman'ny mpiasa ny fanjakana, tamin'ny famoahana didim-panjakana...
♦ Mangataka Faritra vaovao hisitaka amin'i Atsimo-Andrefana ireo Distrika miisa 03 mandrafitra ny "plateau Mahafaly". Afaka mamelon-tena tsara izany Faritra izany raha tafajoro hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ampanihy... ♦ Nihaona tamin'ny filohan'i Afrika-atsimo tany Suisse ny Filoham-pirenena Malagasy. Maniry hitsidika amin'ny fomba ôfisialy eto Madagasikara ny filoha Afrika tatsimo Cyril Ramaphosa... ♦ Tsy miasa intsony nanomboka androany ny foibe fitiliana sy fitsaboana ny Covid-19 na ny CTC eny amin'ny tanàna Voara Andohatapenaka. Efa voafehy ny fiparitahan'ny valan'aretina hoy ny tompon'andraikitra....
♦ Mitohy ny fanomanan'ny eny ifotony ny fihaonamben'ny FFKM hatao amin'ny volana jolay ho avy izao. Manao ny fakan-kevitra ho entina mandritra izany ny FFKM Antananarivo-Atsimondrano... ♦ Tsy nikasi-tanana ny mpitandro filaminana tany Morondava ny filohan'ny Miava Tour Siteny Randrianasoloniako hoy ny Solombavambahoaka Mamihaja Charlot. Tsy ankasitrahan'izy ireo koa ny firosoana amin'ny tetezamita... ♦ Hanomboka anio etsy amin'ny CCI Ivato ny hay ranty biôlôjika na ny Salon Biôlôjika karakarain'ny SYMABIO sy ny mpiara-miombon'antoka aminy... ♦ Any Ukraine : mafotaka ny ady amin'ireo tanàna eo am-pelan-tanan'i Rosia...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco