• Mizotra any Maroc amin'izao minitra itenenana izao ny lalaon'ny Barea sy i Centrafrique, fifanintsanana Modial 2026... • Mpifidy vaventy maromaro no tsy afaka handatsa-bato amin'ny fifidianana Loholona amin'ny 11 desambra 2025. Very zo ireo olom-pirenena amin'ireo Kaominina tokony namerenana fifidianana, hoy ny KMF/CNOE... • Tanora maherin'ny arivo no voaentana amin'ny tokony hahaizana mampiasa ny teknolojian'ny fifandraisana sy ny tambajotran-tserasera, noho ny tetikasa “Mahasaky”. Nisy ny vokatra azo, hoy ny manatanteraka io tetikasa io...
♦ Vidin'ny la vanille maitso : Tafidina hatrany amin'ny 400 Ariary ny kilao aminà Faritra sasany eto Madagasikara, raha ny antso avo nataon'ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Tsy tokony ho sakana amin'ny fanoloana ny toeran'ireo ben'ny tanàna maty ny resaka raharaham-pitsarana mbola mandeha hoy ny Kmf/Cnoe... ♦ Lalao hiatrehana ny "Coupe du monde 2026" : anio no hihaona amin'ny ekipa-pirenena Centrafrique ny Barea an'i Madagasikara anatin'ny anro fahafiton'ny fifanitsanana... ♦ Ady any Gaza : olona maherin'ny 60 indray no fantatra fa namoy ny ainy tao Bande de Gaza taorian'ny fanafihana nataon'ny tafika Israeliana...
♦ Nakantoavin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny datin'ny 11 desambra hanaovana ny fifidianana Loholona araka ny tolo-kevitry ny Ceni... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy anio maraina ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono (FIA) andiany fahafito etsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 35% ny tahan'ny fanaovam-baksiny ny zaza teto Madagasikara taorian'ny COVID-19, fanamby ny havitan'ny 90% amin'ny zaza Malagasy vita vaksiny hatramin'ny faran'ity taona ity... ♦ Any Gaza : Ankizy maherin'ny 21.000 isa lasa nitondra takaitra, manan-takaitra tsy fidiny vokatry ny ady misy eo amin'i Israël sy Hamas...
♦ Nihazo avy hatrany ny Faritra Menabe ny kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roalahy niara-dia taminy, taorian'ny fanomezam-boninahitra natao teny Mausolée omaly... ♦ Manana tanora manampahaizana maro afaka mamaha ny olan'ny famatsiana herinaratra eto amin'ny firenena ny eny amin'ny polytechnique Vontovorona anatin'ny sampam-piofanana génie électrique... ♦ Klioba isany mamoaka mpilalao baolina kitra mahay sy malaza ny CFFA Andoharanofotsy ka hitohizan'ny fahazoana vokatra tsara dia hisy ny fanatsarana ny foto-drafitr'asa hilalaovan'ny tanora...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco