♦ Hamaha olana amin'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy Toamasina ny fahavitan'ny tetik'asa Volobe-Amont. Vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa momba azy io, izay hamokatra herinaratra 120 Mw isan'andro... ♦ Nahazo fitaovana ahafahana mampihatra ny digitalisation ao aminy ny Antenimieram-pirenena. Tablettes 169 isa miampy solosaina 20 isa no natolotry ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny haitao arakajy mirindra, ny Paositra ary ny fifandraisan-davitra... ♦ Manao antso avo amin'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ireo tanora tafiditra ho mpiasam-panjakàna ao amin'ny Ministeran'ny fampianarana teknika...