♦ Hamaha olana amin'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy Toamasina ny fahavitan'ny tetik'asa Volobe-Amont. Vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa momba azy io, izay hamokatra herinaratra 120 Mw isan'andro... ♦ Nahazo fitaovana ahafahana mampihatra ny digitalisation ao aminy ny Antenimieram-pirenena. Tablettes 169 isa miampy solosaina 20 isa no natolotry ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny haitao arakajy mirindra, ny Paositra ary ny fifandraisan-davitra... ♦ Manao antso avo amin'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ireo tanora tafiditra ho mpiasam-panjakàna ao amin'ny Ministeran'ny fampianarana teknika... 

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...