♦ Maherin'ny iray tapitrisa ireo olona nisitraka ny fanampiana vokatry ny fiaraha-miasan'ny Firenena Mikambana sy ny Fitondram-panjakana Malagasy, tamin'ny taona 2022... ♦ Fandaharan'asa maro no notanterahana tamin'ny tetikasa Haraton'aina fiahiana ara-tsôsialy, toy ny fandaharan'asa Mijoro, Milofo, ny Asa vonjy voina... tao anatin'ny fito taona nisian'izany... ♦ Ny tantsaha sy ny mpandraharaha tany Vatomandry sy Brickaville indray no nahazo ny milina fanodinam-bokatra, avy amin'ny Fitondram-panjakana...

♦ Nanambara ny fandraisany anjara amin'ny famatsiam-bola amin'ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara, ao anatin'ny “Basket Fund” androany, ny Vondrona Eorôpeana, sy ny Masoivohon'i Allemagne, ary ny Masoivohon'i Frantsa... ♦ Manambara ny hanamafy ny hetsika hitakiana ny famoahana an'i Me Kanto, ny Antenimieran'ny vadintany sy ny mpanao lavanty, raha tsy handray andraikitra ny fanjakana... ♦ Tsy marina, fa endrika fanakorontanana, ny fivoizana fa hampakatra saran-dàlana ny UCTU, hoy ny Filohany...

♦ Hodinihana mandritra ny fivoriambe ara-potoanan'ny filan-kevitra mpanatanteraky ny Vondrona Afrikana amin'ity volana jolay ity ny momba ny teti-bola ampiasaina. Handray anjara amin'izany i Madagasikara amin'ny alalan'ny Ministry ny Raharaham-Bahiny sy ny Ministry ny Fitantanam-Bola... ♦ Miantso ny Fanjakàna sy ny mpiara-miombon'antoka avy any ivelany sy ny eto an-toerana ny Transparency International Initiative Madagascar hanara-maso ny fanampiana hatolotra ny mponina ianjadian'ny kere any Atsimo... ♦ Marary ny fampianarana ambaratonga ambony hoy ny SECES Sampana Antananarivo. Kasain'ny fitondrana haàna 10% ny ora fanampiny sy ny tambin-karaman'izy ireo notakiana nandritra ny efa-taona...

♦ Mahatsiaro ho voafitaky ny mpitondra ankehitriny ny antoko Malagasy Miara-Miainga hoy ny filoha nasiônaliny Hajo Andrianainarivelo. Tsy marina ny filazana fa seza no manosika azy ireo nisitaka tao amin'ny fitondrana... ♦ Nahazo fahafahana vonjy maika ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon'ny CNaPs Tsaboto Joslina. Efa nody any an-tokantranony izy... ♦ Misy manodikodina ny fanampiana ho an'ireo mponina ianjadian'ny kere any amin'ny faritra atsimon'ny nosy hoy ny TIIMG... ♦ Nifarana omaly ny iraka notanterahan'ny miaramila israeliana, any Cis Jordanie. Hetsika ara-tafika nandritra ny roa andro nahafaty olona 12 isa,iadiana amin'ny mpampihorohoro araka ny nambaran'ny mpitondra any Israël...

[Miara-dàlana] Zoma 29 nôvambra 2024

  • Miomana amin'ny fandraisana ny Eveka vaovao, Mgr Marcellin Randriamamonjy, ny Diôsezin'i Farafangana...
  • Nanatanteraka fihaonambe fanao isan-taona nandritra ny hateloana, ny Vaomiera misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe...
  • Torio an-kafaliana ny Evanjely, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony nandritra ny Audience générale, ny alarobia 27 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...