♦ Manohy ny fivoriana ara-potoana voalohany nihato nandritra ny fampielezan-kevitra indray ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza androany. Hotapahana mandritra izany ny tohin'ny fandaharam-potoana... ♦ Hanangana amin'ny fomba ôfisialy ny Kômity Miaro ny Safidim-Bahoaka na ny KMSB ny Vovonana firaisan-kina. Mivory eny Ambohimanambola ireo kandidàn'ny Firaisan-kina rehetra manerana ny nosy, tamin'ny fifidianana solombavambahoaka... ♦ Manohana an'i Madagasikara amin'ny fampiroboroboana ny fambolena indrindra fa ny voly vary ny fitondrana Koreana tatsimo. Vita sonia omaly ny fifanarahana momba izany... ♦ Niaiky ny maha tompon'antoka azy ireo tamin'ny fanafihana sekoly nandray mpitsoam-ponenana ny palestiniana...
♦ Nanazava ny toe-java-misy any Faratsiho manoloana ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny kandidàn'ny Firaisan-kina Ramilison Nomenjanahary. Tsy mankasitraka ny fanodikodinana ny safidim-bahoaka izy... ♦ Tonga teny amin'ny CENI nangataka fampitahana ny voka-pifidianana koa ny kandidà avy amin'ny Vovonana IRMAR. Mbola manantena ny hanao poa-droa ao amin'ny boriborin-tany fahadimy ny kandidà Naivo Raholdina... ♦ Hiady amin'ny Aflatoxine singa voajanahary mitondra poizina amin'ny voly maro toa ny voanjo sy ny katsaka ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Poizina loza mitatao amin'ny fahasalam'ny mpanjifa... ♦ Mandinika ny fifanarahana ampitsaharana ny ady eo aminy sy ny Israeliana ny Hamas...
♦ Tsy marina fa fanosoram-potaka no nataon'ny kandidà Lalatiana Rakotondrazafy ny kandidà Ramilison Nomenjanahary, tamin'ny fahitalavitra tsy miankina iray... ♦ Nanomboka androany ary haharitra efatra andro eny amin'ny Canal Olympia Andohatapenaka, ilay fampirantiana SIAE Salon International des Acteurs Économiques, andiany fahatelo... ♦ Loza mananontanona amin'ny fahasalaman'ny mpanjifa eto Madagasikara ankehitriny, ny fisian'ny singa voajanahary Alfa toxine, miteraka poizina amin'ny voly maro...
♦ Hiverina hamaritra ny fandaharam-potoana sy ny lahadinika amin'ny fivoriana ara-potoana rahampitso alakamisy 6 jona 2024, ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza... ♦ Mikasa ny handray fepetra amin'ny solombavambahoakan'i Vohipeno ka hanala azy tsy ho filohan'ny CIAD ireo ampahany amin'ny Ben'ny Tanàna any amin'ity distrika ity. Anton'izany ny tsy fahombiazany tamin'ny fifidianana... ♦ Miisa 13 ireo Faritra miroso amin'ny fihangazanana eto Madagasikara ka mila hamafisina ny fandraisana andraikitra hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Hivahiny any Frantsa nanomboka androany hatramin'ny alahady izao ny filoha amerikana Joe Biden...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco