♦ Afahana mitondra ny hetahetan'ny vahoaka eny ifotony ny fihaonana mivantana hiarahan'ny mpanatanteraka sy ny députés manomboka rahampitso hoy Andriamatoa Imbiky Herilaza... ♦ Malagasy 2,3 tapitrisa no mivelona mivantana amin'ny fanaovana asa-tanana, nampidi-bola 32 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna izany ho an'ny taona 2024... ♦ Atsantsa milanja 16 taonina mahery, tra-tehaka tamina sambo mpanjono Sri-lankais ... ♦ Nankatoavin'ny Fiketrahana Masina tamin'ny volana marsa teo, ny fahamarinan'ny fisehoan'ny endrik'i Jesoa Kristy tamin'ny Hostia iray, nandritra ny Sorona Masina tao amin'ny Paroasy ambanivohitry ny Faritra atsimon'i Inde...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...