♦ Afahana mitondra ny hetahetan'ny vahoaka eny ifotony ny fihaonana mivantana hiarahan'ny mpanatanteraka sy ny députés manomboka rahampitso hoy Andriamatoa Imbiky Herilaza... ♦ Malagasy 2,3 tapitrisa no mivelona mivantana amin'ny fanaovana asa-tanana, nampidi-bola 32 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna izany ho an'ny taona 2024... ♦ Atsantsa milanja 16 taonina mahery, tra-tehaka tamina sambo mpanjono Sri-lankais ... ♦ Nankatoavin'ny Fiketrahana Masina tamin'ny volana marsa teo, ny fahamarinan'ny fisehoan'ny endrik'i Jesoa Kristy tamin'ny Hostia iray, nandritra ny Sorona Masina tao amin'ny Paroasy ambanivohitry ny Faritra atsimon'i Inde...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...