♦ Hihaona amin'ny delegasiôn'ny SADC anio tolak'andro ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Fihaonana, tafiditra anatin'ny fakàn-kevitr'ity vondrona ity momba ny zava-misy ara-pôlitika sy ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara... ♦ Mbola tsy tokony hiakatra aloha ny saran-dalana ao an-drenivohitra fa mila dinika, mba tsy hisy ny fanararaotana hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Miantso fandraisan'andraikitra haingana dia haingana ity fikambanana ity, noho izay zava-misy atsy ho atsy izay... ♦ Nahazo famatsiam-bola 366 miliara Ariary ny Governemanta malagasy, tamin'ny alalan'ny AFD. Famatsiam-bola natokana ho an'ny famokarana angovo sy ny fambolena isan-karazany amina kaominina 25 isa eto...

♦ Mihaona sy maka ny hevitr'ireo Vondrona pôlitika eto amintsika ny iraky ny vondrona SADEC nanomboka omaly. Manombona ny tontolo pôlitika sy ny filaminana eto Madagasikara izy ireo, mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana... ♦ Nihemotra anio indray, raha tokony efa nanomboka omaly ny fitsarana ireo taratasim-panadinana Bakalôrea eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nisy ny fandaminana tsy maintsy niarahana tamin'ireo mpitsara omaly... ♦ Mikasa ny hampiakatra saran-dalan'ny fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra ny UCTU manomboka ny volana Aogositra ho avy izao. Tsy mbola voafaritra mazava aloha io saran-dalana hiakatra io hatramin'izao...

♦ Nihemotra ho rahampitso ny fitsarana ireo taratasim-panadinan'ireo mpiadina Bakalôrea... ♦ Hanamafy ny fampanginana ny Oniversite hatramin'ny alarobia izao, ny sendikà SECES sampana Antananarivo... ♦ Maminavina ny hampakatra saran-dàlana ny UCTU, manomboka ny volana aogositra ho avy izao...

♦ Tonga manara-maso ny toe-draharaha eto amintsika ny iraky ny vondrona SADC amin'izao mialoha ny fifidianana izao. Misy ny fihaonan'izy ireo amin'ny mpisehatra pôlitika manomboka androany... ♦ Mbola manohy ny fanadinana Bakalôrea amin'ity herinandro ity ireo mpiadina amin'ny fampianarana teknika. Mpiadina 10.963 izy ireo no miatrika izany, manerana ny nosy... ♦ Mitaraina ireo mpandraharaha fa misy amin'ireo orinasa no tsy manara-dalàna ary tsy mandoa hetra sy haba intsony. Tsy ampy ny fandraisana andraikitra hanasaziana azy ireo, hoy ny mpandraharaha iray... ♦ Nitrangàna fifandonana teo amin'ireo samy gadra tao amin'ny fonja iray any Equateur, omaly ; voafonja 5 farahakeliny no maty vokatr'izany...

[Miara-dàlana] Zoma 29 nôvambra 2024

  • Miomana amin'ny fandraisana ny Eveka vaovao, Mgr Marcellin Randriamamonjy, ny Diôsezin'i Farafangana...
  • Nanatanteraka fihaonambe fanao isan-taona nandritra ny hateloana, ny Vaomiera misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe...
  • Torio an-kafaliana ny Evanjely, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony nandritra ny Audience générale, ny alarobia 27 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...