♦ Misy lesona tsara azo tsoahana manoloana ny fijoroan'ireo miaramila any Niger, hoy ny antoko Otrikafo. Tsy voatery amin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana anefa no hanehoan'ny samy Malagasy izany... ♦ Nilaza ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, fa efa manomboka mihena ny tsy fandriam-pahalemana. Azo porofoina amin'ny antontan'isa izany, raha ny fanazavany... ♦ Tafidina hatramin'ny 1000 na 800 Ariary ny vidin'ny lojy iray kilao any Ambatoboeny, hoy ireo mpamboly...

♦ Miantso ny vahoaka Malagasy mba tsy ho voasarika amin'ny korontana samihafa mety hitarika amin'ny tsy filaminana eto amin'ny firenena, ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Miantso ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, mba hampiato ilay naoty nomeny ireo solotenam-panjakana, ny Administrateur Civil, Julien Andriamorasata. Endrika fampielezan-kevitra ny fampiharana izany, raha ny nambarany... ♦ Mbola tena tsy miravona ny disadisa eo amin'ireo mpanakanto sasantsasany sy ny Minisitera mpiahy azy ireo, manoloana ny OMDA...

♦ Mikasa hanolotra kandidà tokana, Zanaky ny faritany, ny Vondrona Firaisan-kina faritanin'i Fianarantsoa amin'ny fifidianana ho avy io. Maniry ny hamory vahoaka izy ireo, saingy mbola tsy nahazo alalana hatramin'izao... ♦ Tsy ho tapaka ny fandraisan'ny Zokiolona fisotron-dronono, na teo aza ny fitokonana hoy ireo mpiasan'ny CNaPs. Nanome antoka izy ireo fa nisy hatrany ny fandoavam-bola tamin'ny fotoana niatoan'ny fandraisana ireo mpila raharaha... ♦ Vinavinaina ho tratra amin'ity taona ity ny tahan'ny fisondrotry ny harin-karena faobe 4% mahery kely amin'ity taona ity hoy ny eo anivon'ny INSTAT. Tsy mbola ho hita taratra amin'ny fari-piainan'ny vahoaka malagasy anefa izany...

♦Miahiahy ny tsy hisian'ny fifidianana madio ny vondrona politika APOGENIE. Misy biraom-pokontany 6.000 sy biraom-pifidianana noforonina mifandraika amin'izany, nefa tsy hita fototra mazava hoy izy ireo... ♦ Notendrena omaly ny tale jeneraly vaovaon'ny CNaPs izay anisan'ny anton'ny fitokonan'ny mpiasa nandritra ny iray volana. Voatendry amin'izany andraikitra izany Andriamatoa Vimbina Rahaingonjatovo... ♦ Tsy mbola nisy voasambotra hatramin'ny omaly ireo gadra tafatsoaka ny fonjan'i Mananjary. Nitondra fanazavàna momba ny fepetra efa noraisina omaly ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja, manoloana ity raharaha ity...

[Miara-dàlana] Zoma 29 nôvambra 2024

  • Miomana amin'ny fandraisana ny Eveka vaovao, Mgr Marcellin Randriamamonjy, ny Diôsezin'i Farafangana...
  • Nanatanteraka fihaonambe fanao isan-taona nandritra ny hateloana, ny Vaomiera misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe...
  • Torio an-kafaliana ny Evanjely, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony nandritra ny Audience générale, ny alarobia 27 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...