Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy i Mompera Gabriel Randrianantenaina, pretran'ny Diosezin'i Moramanga ary Secrétaire Coordinateur-n'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara hatramin’izao.
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri. Nanolotra firarian-tsoa ho an’ny vahoaka Malagasy i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Solotenan’ny Ray masina eto Madagasikara, amin’izao Noely izao.
Mifantoka amin'ny fitantarana ny hafatra nomen'ny Papa François ho an'ny mpikirakira ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona tamin'ity taona 2020 ity. Ankalazaina eto Madagasikara isaky ny alahadin'ny Trinite Masina ny fankalazana ny andro maneran-tany ho azy ireo ka mifandraika amin'io hafatry ny Ray masina io ny fanentanana entin'i Mgr Fulgence Rabemahafaly Arsevekan'i Fianarantsoa, Filohan'ny Vaomietan'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona eto Madagasikara.
• Volana nôvambra, fotoana anentanan'ny Eglizy ny fahatsiarovana sy ny fitondrana am-bavaka ireo efa nodimandry… • Tonga eto Madagasikara tamin'ny sabotsy 31 ôktôbra 2026, ny Lehiben'ny Fikambanana Ordre des Carmes Déchaux maneran-tany… • Antso iombonana ny fahamasinana fa tsy tombony ho an'ny olona tsirairay manokana, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco