«Olon’ny fanantenana sy ny hafaliana ny Relijiozy. Mila mijoro ho fanasina mandrakariva ianareo”, hoy Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin’ireo relijiozy teto amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo tonga nirary soa azy ireo ny sabotsy 28 desambra 2019 tao amin’ny Sekoly Maria Manjaka, tantanin’ny Fikambanan’ny Masera Saint Joseph de Cluny.

Mankahery ny Malagasy hiaina hatrany ny firaisan-kina naseho nandritra ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa François i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy , Arsidiosezin’Antananarivo. Arahantsika ny firariantsoa atolony ho an’ny vahoaka Malagasy amin”izao taona vaovao 2020 izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...