♦ Miantso ny kristianina hijoro ho vavolombelon'ny herin'i Kristy nitsangan-ko velona i Mgr Marie Fabie Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Fanehoam-pitiavana ny fankalazana ny Paka, ka adidin'ny kristianina ny manompo ny hafa, hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina... ♦ Nanao antso hampanjariana ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, tamin'ny "Urbi et Orbi", ny alahadin'ny Paka 17 aprily 2022...

♦ Hotanterahana ny alarobia 13 aprily 2022 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena ny "Messe chrismale" eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nosantarin'ny Kardinaly Tsarahazana Désiré tao amin'ny Distrika Antanambao ny Herinandro Masina... ♦ Mivahiny any Kiev mandritra ity herinandro ity ny Aomônie Apôstôlika, Kardinaly Krajewski...

♦ Sitrak'Andriamanitra ny mifidy antsika, ka manolotra antsika ny famonjena, hoy i Mgr Gustavo Bombin Espino, nandritra ny "Messe chrismale" tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nofaranana ny alahady 3 aprily 2022 ny lalan'ny Hazofijaliana, Secteur Andròna Mandritsara, Diosezin'i Port-Bergé... ♦ Ny maha olona no laharam-pahamehana, hoy ny Papa François, tamin'ireo mponina tao Malte, nandritra ny fitsidihana apôstôlika faha-36 nataony, ny 2 sy 3 aprily 2022...

♦ Manahaka an'Andriamanitra izay tia fihavanana, hoy i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny 25 marsa 2022... ♦ Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny fiadanana sy ny fandriampahalemana, ho ny Nonce Apostolique, Mgr Paolo Rocco Gualtieri... ♦ Nanolotra "ambulance" ho an'i Ukraine, ny Papa François...

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...