♦ Hofaranana amin'ny 31 jolay 2022 ny Sinaody nasionaly eto Madagasikara, fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Ilaina ny fahaiza-mihaino sy ny firaisan-tsaina, manoloana ny fiovan'ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena, vokatry ny Covid-19... ♦ Natokan'ny Papa François ho taona masina hanamarihana ny fahateraham-baovao ny taona 2025...

Navoakan'ny ekipa mpandrindra nasionaly tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny fivorian'ny Filankevitra Maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny alatsinainy 7 febroary 2022, ny hira mirakitra ny vavaky ny Sinaodin'ny Eveka ho tanterahana ny taona 2023. Ny Antokom-pihira Katedraly Mahajanga (APKM) no namorona sy nandrindra ny feon-kira ary mihira azy. Raki-tsary notontosain'ny RDB Live. Ny raki-peo sy ny raki-tsary ary ny tonony dia azo alaina ao amin'ny tranonkalan'ny Radio Don Bosco (https://rdb.mg/sintondavitra.html)

♦ Notanterahana ny 12 sy 13 febroary 2022 ny fivoriam-be voalohany fanaon'ny Filankevitra momba ny Fitantanana ny Vahoakan'Andriamanitra (FFVA) eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Fanavaozana foto-drafitra sy fizarana mari-pahatsiarovana ho an'ireo tokantrano kristianina, no nanamarihana ny faha-95 taonan'ny EKAR Notre-Dame de Lourdes, Toamasina... ♦ Nankalaza ny faha-91 taonany tamin'ny 12 febroary 2022 ny Radio Vatican...

Fanazavana an-tsary maneho ny dingana fiomanana rehetra ain’ny Sinaody. Navoakan’ny foibe misahana ny Sianody ny Tahirin-kevitra Fiomanana sy ny Soridalana mba ho fitaovana ampiasaina eny anivon’ny Eglizy tsirairay amin’ny fanatanterahana ny dingan’ny Sinaody eo anivon’ny diosezy.

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...