♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ireo olona mijaly noho ny harerahan-tsaina ny Papa François, mandritra ity volana novambra ity... ♦ Seminarista 51 avy amin'ny diosezy 13 no natokana ho mpamaky teny sy mpanotorna teny amin'ny Théologat Faliarivo, ny 31 oktobra 2021... ♦ Nanatanteraka ny fitsidihana pastôraly tao amin'ny diôsezin'Ambanja ny 22 ka hatramin'ny 30 oktobra 2021, ny Administrateur Apostolique, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan'Antsiranana...

♦ Nifantoka tamin'ny fomba hanampiana ireo olona tsy manana sora-piankohonana sy ny kara-panondrom-pirenena ary ny ady amin'ny kolikoly ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara... ♦ Miaina ao anatin'ny tebiteby noho ny tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka ao amin'ny Faritra Melaky. Mangataka ny fanomezan-tanana avy amin'ny fanjakana mahefa ny Fiangonana mba hamahana ny olana...

♦ "Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny zaza ao am-bohoka, na tsy fidiny na nirina, na nampoizina na tsia, satria avy amin'Andriamanitra ny aina", hoy ny eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalazaina androany ny fetin'i Masindahy Joany Paoly Faharoa. Nankalaza izany ny Fikambanan'ny pretra Spiritains any Antsiranana sy ny Lycée Saint Jean-Paul II ao Mandritsara, Port-Bergé...

♦ Notanterahina ny 15 oktobra 2021 tao Ampasanimalo ny fanaovam-beloma farany an'i Masera Soszynska Krystyna, FMA... ♦ Nanomboka androany ny dinika momba ny Sinaodin'ny Eveka, ho an'ny Diosezin'i Morondava sy Tsiroanomandidy... ♦ Nosokafana ny 7 oktobra 2021 ny taom-pianaran'ny Sekoly katolika ho an'ny Diosezin'Antsiranana...

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...