Miteraka faharatsian'ny kalitaon'ny hena vokarina ny tsy fahalavorarian'ny sakafo omena ny biby fiompy. Mbola ambany ny fampiasàn'ny tantsaha mpiompy ny provandy hanatsaràna ny sakafon'ny biby fiompy mba ahazoana vokatra tsara kalitao... 

Ny «cyber-citoyenneté» dia fandraisan' ny olom-pirenena anjara ao anatin' ny fiainam-pirenena amin`ny alalan' ireo tambazotran-tserasera. Noho ny firoboroboan'ny teknolojian'ny torohay sy ny serasera, mipetraka amin' izao ny fandraisan' andraikitry ny olom- pirenena ao anatin' izy ireny : fizarana vaovao mari-pototra, fanehoan-kevitra voahevitra amin'ny raharaham-pirenena. Ny fahafahana manao izany anefa dia tsy afa-misaraka amin'ny fanajana ny lalàna amin'ny fandraisam-pitenenana, na anaty tambazotran-tserasera aza...

♦ Olana ho an'ny tanàna maro eto Madagasikara ny fitombon'ny fako sy ny fiparitahany. Manimba ny endriky ny tanàna sy ny rivotra hiainana ny fako ka tsy vitsy ny mpitantana ny kaominina no mikaroka vahaolana hifehezana izany, ary isan'ireny ny Kaominina Antsirabe... ♦ Misy karazany miisa fito ny soka-dranomasina manerantany ary ny dimy dia hita eto amin'ny fari-dranomasin'ny ranomasimbe indiana, i Madagasikara dia ahitana maromaro, amin'ny faha-30 taonany vao afaka manaranaka ny sokatra...

Ny dingana ho amin'ny fanatrarana ny tanjona eo amin'ny fiainana dia miainga amin'ny paikady toy ny fananana toetra tsy manjehy ny andro ho lava, ny famaritana tsara sy mazava izay hatao, hiainana ilay teny hoe : Aza mihetsika aloha fa mialohan'ny hiaingàna dia fantaro hoe ho aiza ianao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...