Talohan'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany dia mbola nisy sy tsara ny ala malagasy sy voajanahary, saingy taty aoriana dia nihasimba izany ary nosoloana hazo vahiny.  Azo atao tsara ny mamerina ny farira maina ho maitso amin'ny alalan'ny fambolena ara-biolojika. Isan'ny hazo malagasy ny orchidé, ny rotra, ny apalibe... 

Ny tsy fahampian' ny fitiavana eo amin' ny fiaraha-monina no anton' ny maha voasarika ny tanora handray zava-mahadomelina. (27-01-2021)

Ny hafatra dia manandanja kokoa amin'ny olona hitenenana na ny olona mandray ilay hafatra. Ny hafatra manokana ho an'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra mpanabe momba ny fanabeazana sy ny  fampianarana amin''ity volana janoary ity : Mafana ny andro ka mila arahimaso ny fisotrona rano, ny akanjo sy ny fahasalaman'ny ankizy... 

Ny sampana mitsabo ny fararian'ny taolana dia tafiditra amin'ny fitsaboana tsy mampiasa afatsy tanana. Ny tanana no hitsapana ary ny tanana ihany no hoentina mitsabo, tsy mampiasa menaka. Ny aretina azo tsaboina eo anivon'io sampana io dia izay rehetra mifandray amin'ny taolana : Ozatra, nofo, taova, taolan-damosina, andilana...  

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...