Tsy tokony ho tara ny ady atao amin'ny valala any amin'ny tapany atsimon'ny nosy mba tsy hitarika fahavoazana goavana amin'ny famokarana sakafo eto Madagasikara. Antso avo nataon'ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny Fambolena sy ny Sakafo na ny FAO tamin'ny 10 septambra 2021 teo...

Izay tsara fiomanana tsy ho tampohin'ny loza : fantaro ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro eo amin'ny fahasalamana. Mihamafy ny voka-dratsin'ny fiovan'ny toetrandro amin'izao vanim-potoana iainantsika izao amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Misy ireo fepetra noraisina tsara ho fantatry ny rehetra hitandrovana ny tontolo iainana sy hampihenana ny aretina sy ny fahavoazana ara-pahasalamana vokatra ny fahasimban'ny tontolo iainana.

Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Tanjona ara-pahasalamana : ahena ny fandraisana na fisotroana zava-mahamamo, hampitomboina na ahena ny vatana... ♦ Fametrahana ny soatoavina mahavavy... ♦ Fandaminana ny fihentanam-po izay samihafa amin'ny fihetsem-po...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...