Mihamahazo laka amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny famokarana biolojika. Maro ny tantsha efa misehatra amin'izany. Tantsaha iray Andriamatoa Ranaivoson Fleuris avy eto amin'ny Faritra Analamanga no nahazo tombontsoa amin'izay famokarana biolojika izay, dia ny famokarana tsy mampiasa taharo simika.
Dingam-piainana ho lalovan'ny ray sy reny ny ho zokiolona, voajanahary izany. Manana ny anjara toerany ny zokiolona ka isan'ny ireny : Manamora ny hanorenantsika ny ho avy. Mitahiry ny fahalalana toa ny soatoavina, ny finoana ny ray aman-dreny, manana andraikitra hananatra sy hizara fitiavana ihany koa. Manan-jo hisitraka fitiavana sy valim-babena ny ray aman-dreny, indrindra amin'ny fahanterany, mety ho latsakemboka na fananganana lalam-pihariana kely ahafahany miaina am-pilaminana.
Aoka hiainantsika isan'andro ny teny famporisihana mba hahatonga antsika ho tompon'andraikitra ary ho tonga biriky handrafetana ny trano mampivoatra sy mampandroso ary mampivelatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mba hazoana antoka fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fianaran'ny ankizy na ny zanaka dia tokony halala ny fandaharam-potoanany ny ray aman-dreny. Ilaina ny fanakaikaizana ny zanaka amin'ny alalan'ny resaka ka hatomboka amin'izay tranga nahafinaritra azy. Hadihadiana tsara ny zanaka ny amin'izay mety ho namany, sao misy zavatra fanararaotra na tokony hohatsaraina. Beazina hanana fahatokisantena ny zaza...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco