Ny fametsifetsena dia azo adika ihany koa hoe " famitahana, fampanantenana poakaty. Ny fametsifetsena dia hita eo amin'ny fiaraha-monina ary tonga amin'ny fahapotehan'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny vehivavy avy niteraka ka tsy mahatana ny amany, izay tokony hivoaka amin'ny lalany ara-boajanahary fa lasa manaraka ny lalan-jaza no tiana holazaina amin'ny hoe "aretina mamany lava". Miteraka fofona io aretina io rehefa tsy voatsabo, ary iharan'ny fanilikiliana eny anivon'ny fiaraha-monina ny vehivavy tratran'io tsy fahasalamana io. Ny antony mety mahatonga azy dia ny fahateren'ny hoditry ny lalan-jaza sy ny tatavy na ny tsinaibe noho ny faharetan'ny fotoana fiterahana ka misy faharovitana ireo taova ireo. Mba hisorohana izany dia tokony ho maoty ny vehivavy vao miatrika ny fitondrana vohoka sy fiterahana.
Ny "prostate" dia taova madinika, ao amin'ny taovam-pananahan'ny lehilahy, ny vehivavy dia tsy misy an'io. Eo anelanelan'ireo taova kely miisa roa ireo no mandalo ny fantsona handehanan'ny pipi. Ny lanjany dia 15g hatramin'ny 25 g, ireo taova ireo dia mamokatra tsiranoka "liquide seminale", manampy ny tsirinaina ho tonga any amin'ny lalan-jaza. Misy karazany telo ny aretina : 1- prostatite izany hoe fanafihan'ny otrik'aretina, 2- Hypertrophie bénigne de la prostate izany hoe mivonto ny prostate, 3- ny homamiadan'ny prostate...
Manohy ny sehatr’asa fampandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ato amin’ny faritra Analamanga ny Fikambanna Tsiky’Tsika. Nampivondrona an’ireo tantsaha manodidina liana amin’ny ezaka ataon’ny tantsaha mivodrona ao aminy indray ny fikambanana nanomboka ny 28 Jona hatramin’ny 30 jona 2023 lasa teo...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco