I Jesoa dia efa mahafantatra hoe "Masina Andriamanitra", araka izay voalaza ao amin'i Joany 17, 11 : "Ray Masina ô, Tehirizo amin'ny anaranao izay nomenao ahy." Efa ilay vavaka nampianarin'ny Tompo mihitsy no fampiharana, araka izay volaza ao amin'i Lioka 11, 2 : " Raha mivavaka ianareo, manaova hoe - hohamasinina anie ny anaranao."... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.
23 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely— Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)
Ireo mpandraharaha voahosotra dia tompon'andraikitra amin'ny fanabeazana ny rahalahin'izy ireo sy ny anabaviny ao amin'i Kristy, amin'ny fivavahana. Amin'ny maha mpanompon'ilay Mpiandry ondry tsara azy ireo, dia nohamasinina izy ireo mba hitarika ny vahoakan'Andriamanitra ho any amin'ny loharano velon'ny fivavahana : Tenin'Andriamanitra, ny litorzia... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
22 desambra 2024 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco